COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Articles

©Studio Sifaka
Ankizy milalao amin'ny ora fianarana

Antsirabe: ahilikiliky ny fiaraha-monina ireo zaza tsy ampy taona mivaro-tena

Hatramin’ny nidiran’ny valan’aretina  COVID-19 dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny vehivavy tsy ampy taona mivaro-tena ao amin’ny faritra Vakinakaratra.  Izany fitomboan’isa izany dia vokatry ny tsy fahafahana nianatra ary indrindra ny tsy fahampian’ny enti-manan’ny ray aman-dreny mamaly ny filany toy ny ara-bola, sy ara-tsakafo, sns...

15 taona i Felana, mpivarotena  monina ao Antsirabe. Manan-janaka iray izy ary nanambarany fa vokatry ny faneren’ny reniny azy no nanaovany izany asa izany. “mbola te hanohy fianarana sy hiaina tahaka ny fiainan’ny adolantsento aho kanefa indrisy!” hoy i Felana. Voalazan’ny lalam-panorenana andininy faha-23 fa “manan-jo hianatra ny ankizy tsirairay ary andraikitry ny ray aman-dreniny ny fanatanterahana izany”. Manamafy izany ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona andininy faha-26, izay milaza fa “tokony hianatra avokoa ny ankizy tsirairay”.

Noho izany asa fivarotan-tena nataony izany dia voahilikilika sy tsy misy mpihaino izy.  “Mahazo teny marary , voaheso” hoy hatrany izy. Ny fanambarana iraisam-pirenena miaro ny zon’ny ankizy andininy fahasivy anefa dia milaza fa “ny ankizy dia tokony ho arovana manoloana ireo tranga fanilikilihana, na fampiasana tsy ara-drariny na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.”

Raha ny tarehimarika voaangon’ny ONG ASSOS Antsirabe dia  manodidina ny 17%n’ireo mpivaro-tena eny amin’ny toerana ahitana azy ireo dia saika zaza tsy ampy taona avokoa.

Article rédigé avec le concours des jeunes du Rary Aro Mada (projet de l’UNESCO financé par le Fonds pour la consolidation de la paix)

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter