COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Articles

©DanielVilleneuve
Grève à Vontovorona à cause du retard de paiement

Fahataran’ny vatsim-pianarana: mandry fotsy ny mpianatra sasany eny Vontovorona

Noana ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’i Vontovorona. Niverina indray ny fihetsiketsehana teny an-toerana nanomboka ny faha 16 ny volana martsa 2022 lasa teo. Mitaky ny famoahana ny vatsim-pianarana ara-potoana izy ireo.

 

Mandiso fanantenana ny ataon’ny tompon’andraikitra. Efa nisy ny dinika ambony latabatra nivanaovanay fa tsy nisy ny fanatanterahina izany. Manao kilalao ny fianaranay izy ireo” hoy ny mpianatra iray eny an-toerana. Tsy ampy intsony ny eo am-pelatanan’ny mpianatra. Miantraika mivantana hatrany anaty vilanin’izy ireo izany. Miantehitra tanteraka amin’ny vatsim-pianarana izy ireo indrindra fa ny mpianatra lavitra ny ray aman-dreny. Tsy ampy ny vatsy alefan’ny ray aman-dreninay hoy ny fanazavan’ny sasany amin’izy ireo manoloana ny fahasahiranana misy. Voatery mitrosa amin’ny fividianana ny sakafo ilainy an-davanandro izy ireo. Misy fotoana tsy mihinana mihitsy rehefa tsy misy mampindrana sy mifanampy amin’izany. Misy akony tanteraka eo amin’ny fianaran’izy ireo izany hoy ny mpianatra. Satria misy fotoana tsy miakatra intsony any am-pianarana izy ireo fa voatery mitady asa an-tselika ahafahana mampiditra vola hividianana sakafo sy hivelomana. Betsaka ihany koa ny miala an-daharana manoloana ny tsy fisiana sy ny fitadiavana izay ho arotsaka izay. “Ny kibo noana ny saina mivezivezy”, izany no lasa teny filamatra eny an-toerana tato ho ato.

 

Efa nisy matetika ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra raha ny fanazavan’izy ireo hatrany: “Efa nitafa tamin’ny tompon’andraikitra izahay nangataka fanazavana manoloana ny fahataran’ny vatsim-pianarana fa tsy nahazo valiny mahafa-po mihitsy” hoy Rakotomaniraka Ny Hasina, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Vontovorona. Raha tsiahivina, niafara tamin’ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana ny fitakiana nataon’ny mpianatra teny an-toerana ny faha 16 martsa, lasa teo. Mpianatra roa no voasamboatra nandritra izany hetsika izany. Voasazy handoa lamandy izy ireo taorian’ny valim-pitsarana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra dia efa nivoaka ny tetiandro amin’ny famoahana ny vatsim-pianarana. Hisitraka izany manomboka amin’ity herinandro ity ny mpianatra raha ny nambaran’izy ireo hatrany. Noho ny resaka fandaminana sy ny fampanarahina ny fenitra amin’ny famoahana izany amin’ny tekinolojia maoderina no anton’ny fahatarana, hoy ny tompon’andraikitra. Efa malaza eny amin’ny oniversite manerana an’i Madagasikara ilay tetikasa vaovao “e-poketra”. Tetikasa manaraka ny tekinolojia sy mampangarahara ny fizarana ny vatsim-pianarana. Na izany aza dia milaza ny mpianatra fa tsy tokony hihitatra mihitsy amin’ny fahataran’ny vatsim-pianarana izany. Fa efa mipetraka hatramin’izay ny tsy fanajana ny zon’izy ireo sy fanodikodinam-bola misy amin’ny resaka vatsim-pianarana eo anivon’ny anjerimanontolo ity. Milaza ny hanamafy ny tolona ny mpianatra raha mbola misy indray ny fampanantenana poakaty sy ny tsy famahana haingana ity olana mateti-pitranga ity.

Article rédigé avec le concours des jeunes du Rary Aro Mada (projet de l’UNESCO financé par le Fonds pour la consolidation de la paix)

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter