Mercredi 12 août, journée internationale de la jeunesse. Cette année, nous avons pour thème « Les facteurs d’engagement et de désengagement des jeunes dans les conflits au niveau communautaire ». Andrianina Rajoharison, directeur du civisme, de la paix et du développement durable auprès du Ministère de la jeunesse, explique que les jeunes ont besoin de connaître leurs droits et de développer une capacité d’analyse par rapport à ce qui se passe autour d’eux. Ils pourront alors décider de comment prendre part à la résolution d’un conflit communautaire. De son côté, Moranierana Rason, membre des scouts catholiques Antilin’i Madagasikara, affirme qu’il ne faut pas attendre que les jeunes atteignent l’âge adulte avant de leur confier des responsabilités. Ils doivent s’initier à cela dès que l’occasion se présente : à la maison, à l’église, dans les associations, etc.
Alarobia 12 aogositra, andro iraisam-pirenena hoan’ny tanora. Ny lohahevitra amin’ity taona ity dia ny fandraisan’ny tanora andraikitra amin’ny disadisa misy eo amin’ny fiaraha-monina misy azy. Manazava Rajoharison Andrianina, talen’ny fanabeazana olom-banona, sy ny fandriam-pahalemana ary ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, fa mila mahafantatra ny zony ny tanora sy mizatra mandalina sy mamakafaka ny zava-misy manodidina azy mba hahaizany manan-kevitra amin’ny fomba handraisany andraikitra amin’ny disadisam-piaraha-monina. Hoy kosa Rason Moranierana avy ao amin’ny Antilin’i Madagasikara hoe ilaina ny fanazarana ny tanora handray andraikitra hatramin’ny sehatra kely indrindra toy ny tokantrano sy ny fiangonana na fikambanana hafa fa tsy hiandry hoe lehibe vao hisehatra amin’izany.