Le travail des enfants est, par définition, « l’ensemble des activités qui privent les enfants de leur enfance, de leur potentiel et de leur dignité, et nuisent à leur scolarité, santé, développement physique et mental », selon l’OIT. L’idéal serait qu’aucun enfant n’ait à travailler mais cela n’est pas toujours possible une fois dans le monde réel. Serait-il alors tolérable qu’un mineur travaille et étudie en même temps ? Monja Rajaonarison de l’ONG HARDI explique que certains d’entre eux n’auront pas de quoi manger s’ils ne travaillent pas. Donc du moment que cela n’interrompt pas leur études, c’est tolérable. De son côté, Tsiory Andriamanjato de l’Association Ank’Izy insiste pour que les enfants n’aient à travailler sous aucun prétexte. Selon elle, c’est aux adultes de faire en sorte que les enfants ne manquent de rien pour qu’ils puissent se focaliser sur leurs études et leur épanouissement.
Raha faritana ny atao hoe asan’ny ankizy dia « ireo karazana asa aman-draharaha rehetra izay manakana ny ankizy tsy hisitraka ny fahazazany sy ny foto-kevitra manome vahana ny fahamendrehana amin’ny maha olombelona fa indrindra indrindra ireo izay manakatsakana azy amin’ny fianarany sy ny fitomboany, ary mety hanimba ny fahasalamany ». Ny tsara indrindra dia hoe tsy miasa mihitsy ny ankizy saingy sarotra ny hanatanterahana izany manoloana ny zava-misy. Azo leferina à ry ve izany ny hoe zaza tsy ampy taona anefa sady mianatra no miasa ? Hoy Rajaonarison Monja avy ao amin’ny ONG HARDI hoe misy amin’ireny ankizy ireny tsy mahita hanin-kohanina raha tsy miasa. Tokony avela hiasa izany izy raha tsy manakatsakana ny fianarany izany. Andriamanjato Tsiory avy ao amin’ny Association Ank’Izy kosa dia milaza fa tsy tokony avela miasa mihitsy ny ankizy na inona na inona zava-misy. Anjaran’ny olon-dehibe isan-tsokajiny ny mamatsy azy izay ilainy rehetra mba hifantohany amin’ny fianarana sy hivelaran’ny sainy.