Le Président de la République, Andry Rajoelina, a déclaré le 6 novembre que le Rova d’Antananarivo s’appelle désormais le « Rova de Madagascar ». Selon lui, la réhabilitation de ce palais et sa nouvelle dénomination ont été faites dans le but d’unir les Malgaches.
Pourtant, c’est le contraire qui s’est produit si l’on se réfère aux réactions d’un certain nombre de personnes. Pourquoi ? Nous en discutons aujourd’hui dans Ndao Hilaoeky avec l’historien Nomena Loïc Andriamanantena et le sociologue Erico Randriarimalala.
Nambaran’ny filoham-pirenena ny 6 novambra teo fa Rovan’i Madagasikara no hiantsoana ny Rovan’i Manjakamiadana manomboka izao. Voalaza ombieny ihany koa fa ho fampiraisana ny Malagasy ny fanarenana izay natao sy izay fiantsoana vaovao izay. Rehefa jerena anefa ny fanehoan-kevitra samihafa, toa ny mifanohitra amin’izay no mitranga. Inona no anton’izay, tsy mitovy ve ny fandraisana sy fandikan’ny Malagasy ny tantarany ? Hiady hevitra mikasika izay isika anio ato anatin’ny Ndao Hilaoeky, miaraka amin’ny vahiny roa : Andriamanantena Nomena Loïc, mpandalina tantara sy Randriarimalala Erico, mpandinika fiarahamonina ato anatin’ny Ndao Hilaoeky.