COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

©Studio Sifaka
Antsa Sarah Nomenjanahary, invitée au Studio Sifaka, en compagnie de Mampianina, journaliste.

Appuyer les initiatives des jeunes, sous diverses formes

Tsy maintsy tohana ara-bola foana ve ny atao amin’ny tanora rehefa hanao hetsika iray izy ireo ? Izay ny fanontaniana napetraka tamin’ireo vahinin’ny fandaharana Ndao hilaoeky. Matetika manko ny fikambanana natsangan’izy ireo no mangataka fanampiana eny anivon’ireo mpamatsy vola, ny fanjakana na ihany koa amin’ireo mpandraharaha. Misy tokoa ny fandaniana eo anivon’ny fikambanana hoy i  Nomenjanahary  Antsa Sarah, avy ao amin’ny fikambanana Mangekku, na ny  tambin-karama omena ireo mpilatsaka an-tsitrapo fotsiny ary, ny fitaovana, ny hofan-trano sns. Endrika hanosehana ireo tanora izany. Saingy mila atao mifanaraka tsara amin’izay filana izay mihitsy ny fandaniana rehefa manatratra ny tanjona. Mila manana tanjona ianao ary rehefa ao kosa ilay fitiavana ilay asa soa atao dia tsy voatery vola no ilaina, hoy Raharisoanantenaina Faniry, avy ao amin’ny « Aide-Eduque association ». Rehefa mazoto hoy izy dia misy olona manampy foana na tsy ara-bola ary, mba hahatongavana amin’ny tombontsoa iombonana izay. Misy endriny maro ihany koa ny fanampiana hoy izy.  


Studio Sifaka · 2020 - 12 - 21 Fandaharana NDAO HILAOEKY FINANCEMENT DES ASSOCIATIONS ONG

Est-ce que les appuis aux jeunes doivent toujours être financiers ? On a posé cette question dans « Ndao hilaoeky ». En effet, selon  Antsa Sarah Nomenjanahary, de l’association Mangekku, les différentes associations de jeunes ont tendance à demander des appuis financiers auprès de l’Etat, des bailleurs de fonds, ou des entrepreneurs. Pour leur fonctionnement, les associations ont besoin d’argent pour les matériels et les indemnités des volontaires, les loyers ... Ces dépenses sont nécessaires, si elles concordent avec les objectifs de l’association. Cela pourrait aussi être une source de motivation pour les membres. Pour Faniry Raharisoanantenaina de « Aide-Eduque association », les jeunes membres d’une association doivent avoir leurs propres convictions et être passionnés dans leurs démarches mais il ne doivent pas uniquement être motivés par l’argent. Si on est motivé, diverses aides pour des intérêts communs pourront toujours émerger des personnes touchées par les actions concrètes. Aux yeux de Faniry, les appuis aux jeunes peuvent prendre plusieurs formes.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter