Beaucoup de jeunes couples sont aujourd’hui réticents au fait d’organiser une cérémonie de mariage. Ils préfèrent s’arrêter au mariage traditionnel et civil. Généralement, ils font ce choix pour des raisons financières. Certains n’ont pas les moyens d’organiser l’événement, d’autres préfèrent investir leur argent dans des projets en commun. De plus, les rituels de mariage tendent aujourd’hui à se conformer à la disposition suivante : tête de cortège, buffet, photographe, décoration, orateurs, etc. Pourtant, la plupart de ces rituels peuvent-être secondaires selon les invités de Ndao Hilaoeky : Jessica Ramamonjisoa, une jeune femme qui ne veut pas organiser une cérémonie de mariage et MC Lafatra, orateur de cérémonies.
Maro amin’ireo mpifankatia amin’izao fotoana izao no tsy rototra intsony hiroso amin’ny mariazy fa vodiondry sy soratra dia vita. Misy koa ireo nanao mariazy ihany saingy tsy nanao fanasam-be. Antony ara-bola matetika no hanaovana izany. Eo ny hoe tsy fananana, fa eo koa ny safidy hoe aleo manangona mba hananganana trano na orinasa kely toy izay handany izay voahangona ao anatin’ny andro iray. Ny lanonam-panambadiana rahateo manaraka ny toetrandro ka mahabe ny fandaniana : fiara, sakafo, mpakasary, sakafo, haingo, mpikabary, sns. Maro amin’izany anefa no azo hajanona ary azo hahena ihany koa ny isan’ny olona hasaina hoy ny vahinin’ny Ndao Hilaoeky, Ramamonjisoa Jessica sy ny mpikabary am-panambadiana, MC Lafatra.