De plus en plus de nourrissons sont abandonnés, laissés pour morts parmi les ordures ou dans la forêt voire pire dans plusieurs régions de Madagascar. Pourquoi les parents ne les confient-ils pas aux refuges pour orphelins ? L’anthropologue Korine Raoelisoa explique que la pression sociale pourrait figurer parmi les causes. Dans la culture malgache, il est important que les descendants restent dans la famille. Il n’est pas envisageable de confier ses enfants à une autre famille qui ne partagera pas les mêmes valeurs que ses origines. Pourtant, rattrapés par les réalités de la vie, certains parents ne se voient pas dans la possibilité d’élever eux-mêmes leur progéniture. De leur côté, Dr Eddy et Ramaromandray Lilia Olga du Centre Felana Maitso soulignent qu’il faut arrêter de mal juger les mères ou parents qui confient leur enfant aux orphelinats. Selon eux, admettre son incapacité à s’occuper de son enfant et le confier, en vie, à des personnes plus aptes à le faire est déjà un geste d’amour.
Tsy mitsaha-mitombo ireo zaza menavava hita narian’ny ray aman-dreniny eny amin’ny fako na any anaty ala amina faritra maro eto Madagasikara. Nahoana no tsy aterin’izy ireny any amin’ireo akany mandray zaza kamboty ilay zanany ? Manazava ny Anthropologue Korine Raoeliarisoa fa isan’ny mety mahatonga izany ny tsindry ataon’ny fiaraha-monina. Amin’ny kolontsaina Malagasy mantsy, sarobidy izany taranaka izany ka tsy tokony hivoaka amin’ny fianakaviana. Tsy azo eritreretina ny fanomezana azy ireo hoan’olona izay tsy mitovy soatoavina amin’ny fianakaviana nihaviany. Matetika anefa teren’ny zava-misy sy ny hasarotan’ny fiainana ireo ray aman-dreny sasany ka tsy afaka mikarakara ilay zanany. Ny Dr Eddy sy Ramaromandray Lilia Olga avy ao amin’ny akany Felana maitso dia milaza fa tsy tokony hitsaratsara foana ny renin-jaza manatitra ny zanany hotaizan’ny akany ny fiaraha-monina. Ny fanekeny fa tsy vitany ny zanany sy ny fanaterany azy mbola velona hotaizan’olona mahavita azy mantsy dia efa fitiavana hoy izy ireo.