Il est encore rare, dans la société malgache, de voir des jeunes adultes décider d’habiter seul et quitter le cocon familial. Très souvent, le motif de départ de la maison familiale reste l’engagement conjugal ou le mariage. Et encore, certains jeunes couples choisissent, ou sont obligés, de rester avec les parents, pour de nombreuses raisons. Randrianarisoa Dinah, jeune fille de 25 ans qui a décidé de s’installer en province, définit l’indépendance comme la capacité de disposer des ressources suffisantes pour gérer sa vie. Pour Raoeliarijao, éducateur, l’autonomisation est encore plus importante. Il la définit comme la capacité de prendre ses décisions toute seule et pouvoir tout assumer pleinement, sans rendre compte à personne. A ses yeux, les parents ont le devoir d’apprendre à leurs enfants comment devenir indépendants et autonomes.Â
Raha ao amin’ny fiaraha-monina malagasy, mbola azo lazaina hoe vitsy ny tanora no sahy manapa-kevitra hiala amin’ny tokatranon’ny ray amandreny ary hipetraka irery. Matetika dia rehefa amin’ny fotoana hanambadiana no anaovana izay safidy izay. Ary mbola misy ary ireo misafidy na voatery mijanona ao amin’ny tokantranon’ny ray amandreny ihany na dia efa manambady, nohon’ny antony samihafa. Randrianarisoa Dinah, 25 taona, mpitovo, dia nahita asa tany amin’ny faritra ka lasa nipetraka irery any. Ho azy, ny atao hoe tanora mahaleo tena dia tanora efa afaka mihary sy mitantana ny fandaniana rehetra ilainy amin’ny fiainana fa tsy miankin-doha amin’ny ray amandreny intsony. Etsy andaniny, manampy ny mpanabe Raoeliarijao fa ny tanora mahaleo tena dia sahy mandray fanapahan-kevitra irery momban’ny fiainany ary mahay mandanjalanja izay mety ho vokatr’izany. Misy adidin’ny ray amandreny lehibe ny fitaizana ny zanany ho tonga amin’izany.