Manandanja kokoa ny ve ny lehilahy raha mihoatra ny vehivavy ? Matetika iharan’ny tondro molotra ny lehilahy miala amin’ny mety fiheveran’ny fiaraha-monina izany lehilahy izany amin’ny zavatra ataony na ny toetrany satria rehefa hoe lehilahy dia tonga ao an-tsaina foana hoe olona mahery, mafy, sy lehibe. Rehefa manao asa heverina hoe natokana ho an’ny vehivavy na manao raharaha ao an-tokatrano na mitondra ny zanany any amin’ny toeram-piasana fotsiny ohatra dia mandeha ny fiheritreretana hoe entin’ny vadiny amin’ny sangany ity. Etsy ankilan’izay, dia misy toerana sy lanja hafa ambanimbany kokoa, maivamaivana kokoa, omena ny vehivavy. Ka mivoaka ny fomba fijery, fihevitra sy fiteny toy ny hoe fanaka malemy, izay vehivavy kely io ve, na ihany koa hoe asam-behivavy izany, sns, izay tsy manandrify loatra amin’ny tena lanjan’izy ireo. Samy manana ny lanjany ny tsirairay avy hoy i Ramanamiseta Johary Carol, mpandinika ny fiaraha-monina, raha nanamafy ny tsy tokony anafangaroana ny fananahana amin’ny maha izy azy ny olona i Rabearison Zo Louis, mpandinika ny fiaraha-monina ihany koa tao antin’ny « Ndao Hilaoeky ».Â
Un homme, aussi bien dans la conception universelle que dans la société malgache, doit être une personne forte, virile et supérieure. Ainsi, il est toujours mal vu quand un homme fait des taches considérées comme pour les femmes que ce soit à la maison ou à l'extérieur, par exemple en emmenant ses enfants au travail. En revanche, il existe d'autres qualifications et des préjugés moins flatteurs accordés aux femmes. Nos deux invités Johary Carol Ramanamiseta, et Zo Louis Rabearison, sociologue s’expliquent sur la « masculinité positive » et l’importance du genre dans l’émission « Ndao Hilaoeky ».