Ny 4 desambra teo no tokony notanterahina ny fifidianana ireo solontena 2 isaky ny faritra handrafitra ny Antenimieran’ny Tanora. Ho an’ny faritra sasany anefa dia tsy tomombana araka ny tokony ho izy izany fifidianana izany. Ny tsy fahampian’ny fotoana no isan’ny olana fototra nahatonga izany hoy Rafidison Seta Dera, avy eo anivon’ny Liberty 32. Tsy tokony ho adinoina ihany koa ny lanjan’ny fampahafantarana, izay tsy ampy hoy Rakotoarisoa Cédric avy ao amin’ny YCI Madagascar. Ny faritra nipetraka aza tsy voaraka araka ny tokony ho izy nandritra ny fikarakarana izany hoy i Andriamampiarina Brillant, avy ao amin’ny Observatoire de la Jeunesse sady mpikambana ao amin’ny Observateur Safidy. Ho an’izy ireo, zava-dehibe ary tokony hitondra fiovana goavana ny fisian’ity rafitra ity, ka tokony alamina tsara araka ny tokony ho izy ny fikarakarana ny fifidianana izay ho mpikambana ao.
Les élections des membres du parlement des jeunes devaient se tenir le 4 décembre 2021 dernier. Pourtant, des anomalies ont été signalées dans la tenue des élections dans certaines régions. Rafidison Seta Dera, de Liberty 32, pointe du doigt le délai de préparation qu’il juge trop court. De son côté, Cédric Rakotoarisoa, membre de YCI Madagascar, se désole du manque de communication et de sensibilisation autour de ces élections. Quant à Brillant Andriamampiarina, de l’Observatoire de la Jeunesse et également membre de l’Observatoire Safidy, il a fait remarquer que certains points mentionnés dans le Termes de Référence pour ces élections n’ont pas été respectés. Cependant, pour nos intervenants, le parlement des jeunes est une initiative qui peut apporter un grand changement.