Dans de nombreuses communes dans la partie Sud de Madagascar, la présence d’une cantine à l’école devient la principale motivation scolaire des élèves et des parents. Mais cette solution a ses limites : elle est de court terme et ne constitue pas une solution pérenne à l’abandon scolaire. Randriamananjara Fara, secrétaire générale du mouvement national pour l’éducation pour tous parle d’une forme de dépendance chez les parents, mettant en péril l’avenir de leurs enfants. Au sein de l’EPP Fieferana, par exemple, 18% des élèves ont quitté les bancs de l’école, au moment où la cantine scolaire a été supprimée. Rasoanandrianina Voahangy, la directrice, cherche alors tous les moyens pour faire bénéficier cet avantage aux élèves, ne serait-ce qu’un repas par semaine. Andriamihajaniriana Michel, responsable de plaidoyer auprès du projet SCORE, reconnait que la mise en place des cantines scolaires garantie la qualité de l’éducation.
Any amin’iny faritra atsimo rehetra iny, mbola maro ireo ankizy tonga any am-pianarana hamonjy « cantines scolaires” fotsiny. Izay ihany koa matetika no handefasan’ny ray aman-dreny azy mianatra ary rehefa tsy misy intsony ny cantine scolaire dia tsy alefa mianatra intsony ireo ankizy. Miteraka fiankinan-doha ho an’ireo ray aman-dreny ny fametrahana ny “cantine scolaire” satria tsy misahirana amin’ny sakafon-jaza intsony izy ireo ary zara lasa takalon’aina mihitsy ny fampianarana ilay zaza rehefa tsy misy izany hoy I Randriamananjara Fara, sekretera jeneraly ny fiarahamonim-pirenena Monept. Na eo aza izany dia ilaina ny fametrahana ny “cantine scolaire” satria isan’ny antoka mahatsara ny kalitaon’ny fampianarana ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana ireo ankizy hoy I Andriamihajaniriana Michel, tompon’andraikitry ny haitaky ao amin’ny tetikasa SCORE. Ho an’ny EPP Fieferana izay tantanin’I Rasoanandrianina Voahangy, nanao fambolena kely izy ireo hiarahana amin’ny ray aman-dreny mba hanaovana “cantine scolaire” ao an-tsekoly. Na misy na tsy misy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana dia manana voly hatrany izy ireo hampisakafoanana ny ankizy na dia indray anatin’ny herinandro aza.