La mâitrise d'une langue étrangère, que ce soit le français, l'anglais ou toute autre langue, joue un rôle important dans l'éducation et le domaine professionnel. Au cours des 10 dernières années, cependant, on constate une baisse de maîtrise d’une langue étrangère par les jeunes malgaches. Ce qui se fait surtout sentir dans les établissements d'enseignement supérieur. Les jeunes doivent-ils maîtriser une langue étrangère pour être qualifiés de compétents? La réponse est non, a déclaré Miora Aline Rajaonarivo, une consultante en orientation professionnelle. Cela ne doit pas constituer un blocage, a-t-elle dit, car chacun a ses propres talents et sa propre personnalité. On doit d’abord apprendre à se connaître et exploiter nos spécialités. Cependant, il est important de maîtriser une langue, explique l'éducateur Raoeliarijao, qu'il s'agisse d'une langue étrangère ou de notre langue maternelle. On communique et on peut s’épanouir à travers les langues. Maîtriser une langue peut devenir la spécialisation et la force d'un jeune. Cela dépend des objectifs de chacun dans la vie et dans les activités professionnelles, selon  l'étudiante Randrianary Muriella. On ne peut pas tout maîtriser à la fois, il y a toujours une alternative,  par exemple en s'entraidant  avec d'autres collègues.
Mitana anjara toerana lehibe anatin’ny fanabeazana sy ny sehatry ny asa ny fianarana teny vahiny, na teny frantsay na teny anglisy na tenim-pirenena hafa. Tao anatin’ny 10 taona teo anefa, tsapa ho nidina ny fahafehezan’ny tanora malagasy izany eny amin’ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony, ohatra. Napetraka tao anatin’ny Ndao hilaoeky ny fanontaniana hoe : tsy maintsy mahafehy ny teny vahiny ve ny tanora vao atao hoe mahay ? Tsy voatery mahafehy teny vahiny ny tanora vao azo sokajiana hoe mahay hoy Rajaonarivo Miora Aline, mpanolokevitra amin’ny sehatra araka asa. Tsy natao sakana izany hoy izy satria samy manana ny talentany sy maha izy azy ny tsirairay ary io no tokony hotrandrahana. Zavadehibe kosa anefa ny fianarana sy ny fahafehezana ny teny  hoy ny mpanabe, Raoeliarijao, na io teny vahiny na io ny tenin-dreny. Ny teny no hifandraisana, ny teny no hiseraserana ary ny teny no ivelarana. Ny fahafehezana ny teny mihitsy aza hoy izy ireo no mety ho lasa tombony sy fahaizana mampiavaka ny tanora iray. Arakaraka ny tanjona tiana apetraka kosa no ilana fahafehezana ny teny vahiny hoy ny mpianatra, Randrianary Muriella. Tsy voatery ho voafehy daholo ny zava-drehetra ka azo atao tsara ny mifanampy amin’ny namana hafa. Â