Les jeunes hésitent encore à se lancer dans l’entrepreneuriat même s’ils ont des idées innovantes. Les raisons sont diverses mais le manque de confiance en soi, le manque de conseils et l’absence de soutiens financiers viennent en premier. C’est pourquoi l’évènement « Espace Jeune Entrepreneur » veut rapprocher les entrepreneurs en exercice et les étudiants intéressés par l’entrepreneuriat. L’objectif est clair : faire reculer le chômage grandissant, causé par les crises sanitaires et économiques. « J’ai dû fermer ma petite entreprise à cause du covid-19. Les impôts coûtent chers alors que nous n’avions pas de recette. Je suggère ceux qui se lancent à s’intéresser au secteur primaire » dit Beharison Lysia, ex-entrepreneur. « Nous poussons tous les acteurs du domaine à former un réseau. On concentre nos efforts sur ceux qui ont débuté pendant et après la crise sanitaire » rétorque Iavo Benjaka, membre du CEERE et organisateur de l’EJE. « L’hésitation arrive quand les prix des matières premières changent du jour au lendemain ou quand une crise inattendue tel le covid-19 débarque. Cela implique qu’on doit refaire tout le calcul et ça complique les choses. J’invite les jeunes à diversifier les offres s’ils veulent s’en sortir » partage Rayan Akoutey.
Le secteur informel couvre 60% des emplois de la population active au niveau international. Ce phénomène est intense dans les pays en développement. 90 % de la population malgache perçoivent des revenus de ce secteur. A Madagascar, le secteur informel est peu exploité et cela entraîne la détérioration des caisses de l'État.
Mbola maro ireo tanora no misalasala hiditra amin’ny tontolon’ny fandraharana eto amintsika, noho ny antony maro. Tsy matoky tena, tsy ampy torohevitra sy tsy manana antoka ara-bola izy ireo na dia manana hevitra tsara ary. Antony nanaovana ny hetsika « Espace Jeune Entrepreneur » ny hampihaonana ireo tanora mpandraharaha sy ireo mbola mpianatra ka liana amin’io sehatra io. Tanjona ny hitadiavan’izy ireo vahaolana miaraka manoloana ny tsy fananana asa, izay miha-mahazo vahana noho ny krizy ara-pahasalamana sy krizy ekonomika. « Voatery nijanona tsy nandraharaha izahay noho ny amehana ara-pahasalamana. Ambony ny hetra aloha kanefa ny vola miditra tsy nisy, ny banky rahateo tsy nampindram-bola anay » hoy i Beharison Lysia, mpandraharaha teo aloha. « Mampirisika ny mpandraharaha rehetra, na tanora na efa za-draharaha, ho tonga tambajotra iray lehibe izahay. Jerena manokana ireo orinasa nijoro nandrita ny amehana ara-pahasalamana ary omena fitaovana ampy hamilian’izy ireo ny orinasany » hoy i Iavo Benjaka, mpikambana ao amin’ny CEERE sady mpikarakara ny EJE. « Ny fiovaovan’ny vidin’ny akora eny amin’ny tsena, ny toe-javatra tsy ampoizina toy ny valan-aretina ary ireo fandaniana mihoatra  kanefa tsy maintsy atao matetika no mahatonga fahasarotana eo amin’ny fandraharana. Ny fanomezana tolotra marolafy no azo antoka indrindra raha tiana hiroborobo ny fandraharana atao » hoy kosa i Rayan Akoutey, mpianatra liana amin’ny fandraharana.
Â
Ny 60%-ny mpandraharaha maneran-tany dia ao amin’ny sehatra tsy manara-drafitra avokoa. Aty amin’ny firenena mahantra no tena ahitana izany. Eto amintsika, mahatratra 90% izany taha izany. Raha trandrahina araky ny tokony ho izy anefa io dia hanampy ny kitapom-bolam-panjakana.