Le foncier constitue l’une des causes de conflits à Madagascar. 25% des conflits sociaux observés dans les 23 régions sont d’origine foncière selon le rapport des jeunes du projet des jeunes observateurs promoteurs de la paix. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.
La commune d’Ambohitrimanjaka est très connue par ses problèmes de litiges fonciers. Le Chef du Fokontany d’Ikopakely Ambohitrimanjaka Josefa Randriamboavonjy souligne la prépondérance de conflits fonciers liés à la succession. C’est le cas de Marie Virginie Rasoavoninkazo, qui a perdu son héritage à cause de la mise en vente de sa parcelle de terrain par un membre de la famille, ayant fait usage de faux documents. Sa famille a porté l’affaire au niveau du Fokotany, qui a ses propres méthodes de résolution de conflits, mais en vain. Ils ont alors porté l’affaire au tribunal mais faute de moyens, elle est suspendue.
La pédagogie avant les sanctions, sous la coordination des ainés sont les méthodes principales de résolution de conflits de la société d’antan souligne le Tangalamena Zafibotosoa Jules. Plus tard, ces modes de gestion ont été remplacés par la structure étatique qu’est le tribunal.
Tranga iray matetika miteraka disadisa eny amin’ny fiara-monina ny adin-tany. 25%n’ny disadisa eny amin’ny fiaraha-monina manerana ny faritra 23 eto madagasikara dia avy amin’ny adi-tany avokoa araka ny tatitra nataon’ireo tanora avy ao amin’ny tetik’asa Obsmada. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka. Voaresaka matetika momba ny adi-tany ny kaomininina Ambohitrimanjaka, resaka ady lova no mazà na mitranga eny araka ny nambaran’ny sefo Fokotany iray, Randriambovonjy Josefa. Ady tany, anjara lova no tantarain’i Rasoavonikazo Marie Virginie, mponina eny Ambohitrimanjaka. Novahana teo amin’ny Fokontany sy ny fianakaviana izany araka ny fomban’izy ireo eny saingy tsy nahitana vahaolana. Nentina teny amin’ny rafitra ara-pitsarana izany avy eo mba hitadiavam-bahaolana saingy naaton’ny fianakaviana noho ny olana ara-bola. Anisany mampahazo vahana ny adi-tany ny tsy fisian’ny politikan’ny fizarana tany sy ny tsy fisian’ny firindran’ny politikan’ny fanajariana ny tany sy ny fiarovana ny zon’ny tompon-tany araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny sehatra Iombonana ho an’ny fananan-tany na SIF Raparison Eric Herman.
Fomba iray nentina namahana disadisa fahiny ny fananarana sy fanasaziana avy amin’ny ray aman-dreny araka ny fanazavan’ny Tangalamena iray avy ao Toamasina, Zafibotosoa Jules. Nametraka fomba hafa ny fanjakana taty aorina ka lasa eny amin’ny Fokotany sy ny tribonaly no rafitra mamaha ireo olan’ny fiara-monina.