Le 23 mai, le Ministère des Affaires Etrangères de Madagascar a fait une déclaration sur la réglementation des expatriations. Il s’agit du rajout des différentes démarches pour la demande de visa. Les mesures réglementaires sont nécessaires pour protéger les natifs mais le délai devraient être rallongé, a déclaré Ladinintsoa Razafindrakoto, ​​manager du Sourcing Corporation. Trouver un emploi à l'étranger permet aux jeunes de s’épanouir et l’Etat devrait mettre en place des mesures d’accompagnement pour que cela devienne une opportunité. Les jeunes malgaches ont le droit de vouloir travailler à l'étranger, pourtant ces mesures sont devenues des obstacles, affirme Ramanantoanina Andrianiaina, un jeune de Rary Aro Heroes. Selon lui, il faut restreindre les voyages dans les pays où les droits de l'Homme ne sont pas respectés. Pour Rakotomandimby Mihamina, membre du GOTICOM, le non-respect des droits des travailleurs existe dans certains pays. Mais au-delà des mesures, il appelle au changement du statut des travailleurs malgaches à l'étranger, ils doivent être considérés en tant qu’expatriés et non plus des immigrants. Par ailleurs, il faut savoir tirer des avantages des expériences à l’étranger, pour pouvoir les partager une fois revenue au pays.
Ny 23 Mey teo ny Ministeran’ny raharaham-bahiny eto Madagasikara no namoaka ilay fanambarana mikasika ny fandrindrana ny fivezivezen’ireo mpilaravin’ahitra any ivelany sy ireo mpiasa mpifindra monina. Nihamaro mantsy ireo dingana arahina ahazoana ny taratasy fahazoan-dalana. Ilaina ireo fepetra fiarovana saingy tokony hampitomboina ny fe-potoana hoy ny mpitantana ny Sourcing Corporation, Razafindrakoto Ladinintsoa. Mampivelatra ireo tanora rahateo ny fahazoana asa any ivelany ka tokony atao fanararaotra ary izany. Mila hajaina ny zon’ireo tanora malagasy maniry hiasa any ivelany satria lasa sakana ho azy ireo ireo fepetra ireo hoy ny tanora avy ao amin’ny Rary Aro Heroes, Ramanantoanina Andrianiaina. Ny famerana ny fandehanana any amin’ireo firenena izay efa fantatra fa tsy manaja ny zon’olombelona hoy izy no tokony atao. Misy tokoa ny tsy fanajana ny zon’ny mpiasa any amin’ireo firenena sasany hoy ny mpikambana ao amin’ny GOTICOM Rakotomandimby Mihamina. Mitaky ny fanajana ny zon’ireo mpiasa sy ny fanovana ny sata mifehy ireo mpiasa malagasy any ivelany izy, mba tsy ho mpifindra monina intsony no hiantsoina azy. Mila trandrahana anefa avy eo ny tombontsoa azo avy amin’ny fandehanana any ivelany, na io fomba fiaina na io fahalalana, mba hahafahana mifampizara traikefa eto an-toerana.