Durant la crise sanitaire due à la Covid-19, nombreux sont les entreprises qui ont dû changer leur façon de travailler pour que l’entreprise continue à fonctionner. Autrement dit, un pas vers une innovation dans l’administration et l’organisation. Pourtant, ce pas vers l’innovation ne devrait pas s’appliquer seulement en période de crise, elle devrait être un mode de vie pour les personnels d’une entreprise et pour les entrepreneurs. L’innovation permet non seulement d’améliorer la productivité des employés mais également d’assurer la pérennisation d’une société ou d’un projet. Les administrations de l’Etat tendent déjà vers cette idéologie à travers la digitalisation de certaines procédures. Dans le domaine de l’entreprenariat, il s’agit entre autres de développer de nouveaux produits et d’améliorer la stratégie de vente et de fonctionnement interne. La limite de l’innovation est la personne en elle-même, cela dépend entièrement de sa capacité à créer des choses à caractère innovant.
Nos intervenants :
- Riveltd Rakotomanana – Le Ceentre - Le Centre d'Excellence en Entrepreneuriat
- Niavo Ramamonjisoa - Chargée de programme entreprenariat Ambassade de France
- José Randrianasolo – Secrétaire générale du FISEMA - Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara
Voakasika mafy tamin’ny krizy nateraky ny Covid 19 ireo orinasa teto Madagasikara nanomboka ny taona 2020. Tao anatin’izay dia maro tamin’izy ireo no tsy maintsy nanova fomba fiasa hahafahana manohy ny fampiodinana ny orinasa. Izany fanavaozana izany anefa tsy amin’ny fotoanan’ny krizy ihany no ilà na azy satria singa iray mety hamaritra ny fotoana haharetan’ny orinasa iray. Amin’ny ankapobeny, efa miroso tsikelikely mankany amin’izany fanavaozana izany ny sampandraharaham-panjakana samihafa amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia. Hoan’ny sehatry ny fandraharahana kosa dia any amin’ny famoronana ny tetik’asa no efa mipetraka sahady izay fomba fisainana izay na any amin’ny vokatra ho hatolotra ny mpanjifa na any amin’ny fomba fiasa anatiny. Ny tena ihany no mety ho fetran’ny fanavaozana, ny fahatakarana zava-baovao mitaha ny efa misy.
Ireo mpandray anjara :
- Riveltd Rakotomanana – Le Ceentre - Le Centre d'Excellence en Entrepreneuriat
- Niavo Ramamonjisoa - Tompon’andraikitry ny fandaharan’asa fandraharahana ao amin’ny masoivohin’ny Frantsa eto Madagasikara. Â
- José Randrianasolo – Sekretera jeneraly ny FISEMA - Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara