Le phénomène d’apatridie concerne toute personne dépourvue de nationalité. Une campagne mondiale a été lancé depuis 2014 pour permette à tout individu de jouir d’une nationalité. Toutefois, l’apatridie est encore loin d’être abolie à Madagascar et reste prévalente sur toutes ses formes. Les organisations de la société civile défenseurs de droit de l’homme pointent du doigt les failles du code de nationalité Malgache actuelles. Elles le considèrent comme la raison de prévalence de l’apatridie dans le pays, qu’il faut modifier à tout prix. Les modifications des lois faites jusqu’à maintenant ne sont pas suffisantes, estiment nos interlocuteurs. Dans ce débat, Elya Rabevahiny, secrétaire général de la parti politique Otrikafo, Andriambolarisoa Diamondra Sarobidy, analyste juridique de l’ONG Ivorary et Ramanantoanina Andrianiaina, défenseur de droit de l’homme, vont discuter des problématiques et les enjeux de la loi sur la nationalité à Madagascar.
Ireo olona rehetra tsy manana zom-pirenena no voakasika amin’ny tranga tsy fananan-tsata. Efa hatramin’ny taona 2014 no nisiana hetsika maneran-tany hiadiana amin’izy io. Raha i Madagasikara manokana nefa no jerena dia mbola tena betsaka ny olona tsy manan-tsata noho ny antony maro samihafa. Antony iray lehibe mbola tsy mahafoana izany hoy ireo firaisa-monim-pirenena miaro ny zon’olombelona ny lesoka maro hita ao amin’ny lalà na Malagasy mifehy ny fizakana zom-pirenena ary tsy misy afa-tsy ny fanovana ity farany no vahaolana, saingy misy ihany koa anefa ireo mitsipaka. Io lalà n’ny zom-pirenena malagasy io indrindra no resahana ato anatin’ny ndao hilaoeky. I Elya Rabevahiny, sekretera jeneralin’ny antoko politika Otrikafo, i Andriambolarisoa Diamondra Sarobidy, mpahay lalà na avy ao amin’ny ONG Ivorary ary i Ramanantoanina Andrianiaina, mpiaro ny zon’olombelona no hiara hiady hevitra amintsika mikasika izany.