Le nombre de cas de violences sexuelles perpétrées par des hommes envers les femmes et les enfants se multiplie dans la région de Vakinankaratra. Le taux est élevé à Betafo, selon les données recueillies par les jeunes, formés dans le projet OBSMADA, au sein du service de la population du district. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka. Si le nombre de cas en 2021 était de 53, on compte 90 cas depuis le mois de janvier jusqu’en août 2022, dont des cas de viols en majorité. Le plus jeune est un enfant de 7 mois. Des personnes en situation d’handicap sont aussi concernées, a affirmé la jeune Noeline Nadine RAMINOARIJAONA. Les gens ont peur de dénoncer ce fait car dans la plupart des cas, le présumé coupable est souvent un membre de la famille, a-t-elle précisé. Les familles optent alors souvent pour des résolutions à l’amiable. Pourtant, une fois le crime prononcé, les responsables au niveau de la direction régionale de la population suit l’affaire, en aidant les victimes dans les démarches, selon le chef de service de la population, de la protection sociale et de la promotion de la femme, du district de Betafo, Rivo Harifetra ANDRIAMAROSOLO. Chaque entité concernée devrait faciliter les procédures suggère-t-il, à commencer par la délivrance de certificats médicaux, les démarches auprès des forces de l’ordre et aussi au niveau de la justice. On devrait faire connaître les lois et les procédures à suivre à la population, rétorque le jeune Lova Niaina Patrick RAMAMONJISOA. Selon lui, la population et les autorités devraient suivre de près l’application de la peine. Selon nos invités, le chômage est l'une des raisons de l'augmentation des cas, mais il y a aussi la toxicomanie. Selon l'adjointe au maire de Betafo, Zolinirina Randriamiandra, on doit revaloriser la matière « éducation civique » dans les écoles. Un centre d’écoute et de conseil juridique devrait être mis en place dans les communes et surtout des structures inclusives et un centre de loisir pour les jeunes.
Mitombo isa ny herisetra ara-nofo ataon’ ny lehilahy amin’ny vehivavy ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Ambony indrindra ny taha eto Betafo, araka ny angon-kevitra nataon’ireo tanora niofana ato anatin’ny tetikasan’ny OBSMADA. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka. Raha 53 no isan’ny tranga voahangona ny taona 2021, miisa 90 izany ny Janoary hatramin’ny Aogositra 2022. Tranga fanolanana zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Zaza menavava 7 volana no zandriny indrindra ary misy amin’ireo iharan’ny herisetra ihany koa ny olona manana manana fahasembanana ara-batana hoy ny tanora, RAMINOARIJAONA Noeline Nadine. Tsy mahasahy mitoroka ireo olona voakasik’izany amin’ny ankapobeny hoy izy satria fiankaviana ihany matetika no manao ilay herisetra. Raharaham-pihavanana araka izany no hamahan’izy ireo ny olana. Manaraka ny raharaha avy hatrany anefa hoy ny lehiben’ny sampandraharahan’ny mponina, ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, distrikan’I Betafo, ANDRIAMAROSOLO Rivo Harifetra raha vao fantatr’izy ireo ny tranga. Mila hamoraina ireo dingana lalovana amin’izany hoy izy. Ohatra ny fanamorana ny famoahana ny taratasy fanamarinam-pahasalamana, manaraka izany ihany koa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Mila hampahafantarina ny mponina ny lalà na sy ny dingana arahina ary mila araha-maso tsara ny fampiharana ny sazy hoy ny tanora RAMAMONJISOA Lova Niaina Patrick, satria misy ireo tsy maty manota. Anisan’ny antony mahatonga ny fiakaran’ny tranga moa araka ny filazan’ireto vahiny ireto ny tsy fananana asa fa indrindra ny fifohana zavamahadomelina. Tokony averina atao taranja matanjaka any ampianarana ny fitaizana ho olom-banona hoy ny Ben’ny tanà na lefitra ao Betafo, Randriamiandra Zolnirina. Tokony apetraka hoy izy ireo ny ivon-toerana fandraisana fitarainanana sy fanomezana torohevitra eny amin’ny Kaominina ary indrindra ihany koa ny rafitra mampiaty sy toerana fialamboly ho an’ny tanora.