La pratique des us et coutumes engendre une cohésion sociale. C’est ce qui harmonise, orchestre une société. Mais l’objectif en est d’établir la paix entre les membres de cette société. D’un autre côté, de la cohésion ne nait pas forcément la paix. D’autres effets peuvent en découler selon la qualité de la relation qu’entretiennent ces membres. Le débat a commencé par une définition de la culture de la paix. Selon les intervenants, c’est cette culture de la paix qui maintient la société en vie, l’organise, et la structure. Pour que la paix se consolide en pratiquant les us et coutumes, il faut tout d’abord respecter la hiérarchie sociale selon Niranto Rabearson du Rary Ary Analamanga. Rary Aro Mada est un projet de l’Unesco, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, qui vise à renforcer l'engagement des jeunes dans la défense des droits de l’homme. Pour Gérard Rakotonirina, journaliste, il faut surtout respecter la culture. Chaque région, chaque localité a sa propre culture. Et il faut profiter de cette diversité pour consolider la paix à travers les us et coutumes. Certes, certaines pratiques font blocage au développement. Mais néanmoins, les anciens cherchent toujours la justice dans toute situation de confrontation.
Ny fanatanterahina ireo fomba amam-panao no miteraka fifampikasohana ara-tsosialy. Izay no mampirindra sy mandamina ny fiaraha-monina. Ny tena tanjona anefa ny hisian’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eo amin’ny mpiara-belona. Etsy an-daniny, tsy voatery ho filaminana sy fandriam-pahalemana foana no mimpoitra avy amin’izay fifampikasohana izay. Misy vokany hafa mivoitra eo arakaraky ny kalitaon’ny fifandraisana ao amin’ilay fiaraha-monina. Nanomboka tamin’ny famaritana ny atao hoe kolontsain’ny filaminana sy fandriam-pahalemana ny ady hevitra. Araka ny nambaran’ireto mpandray anjara, ity kolontsainan’ny filaminana sy fandriam-pahalemana ity no mamelona ny fiaraha-monina, mandrindra sy mitazona azy hitsangana. Mba hanamafy orina izay filaminana izay, mila hajaina ny atanan-tohatra eo an’ivon’ny fiaraha-monina, hoy I Rabearson Niranto nandritra ny ady hevitra. Ny Rary Aro Mada dia tetikasan'ny Unesco, vatsian'ny Fonds pour la consolidation de la paix, izay mikendry ny fampandraisana anjaran'ny tanora amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy fametrahana fandrimpahalemana. Rakotonirina Gérard, mpanao gazety, kosa nilaza fa ny kolontsaina mihitsy no mila hajaina. Samy manana ny fomba amam-panaony ny faritra tsirairay sy ny toerana tsirairay. Tokony hanararoatra izay fifahasamihafana izay mba hanamafisana orina ny fandriam-pahalemana. Na dia misy aza ireo fomba sasany manakana ny fandrosoana, miezaka hatrany ireo olobe, raiamandreny, hanaja ny rariny manoloanana tranga iray.