Selon l'enquête menée par les jeunes de la région de Vatovavy, formés dans le cadre du projet OBSMADA, le nombre de jeunes chômeurs dans la région est en hausse. Sur 15 jeunes diplômés, seulement 3 jeunes ont un emploi régulier. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement et le MutliSector Information Service TATAO, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka. Selon ces jeunes, la majorité des recrutés par les organismes locaux sont des jeunes des autres régions, même si les critères sont les mêmes. Le secteur privé et le secteur étatique sont tout autant concernés. Il existe de nombreux offres mais les jeunes ne sont pas suffisamment informés, a rapporté le représentant de la commune de Mananjary, Christian Benoit Rasolonirina. Il a invité par contre les jeunes à toujours répondre aux offres de formations et de concours de la région. Les secteurs privés peuvent établir leurs critères d'embauche, mais les autorités souhaitent faire un plaidoyer auprès de ces entreprises pour qu’elles valorisent les jeunes de la région, selon le jeune Thomas Franklino Razafindravao.  Ils peuvent par exemple enquêter sur les profils et les compétences des jeunes de la région, dans chaque domaine d’activité. Selon le jeune Delio Rakotoarimalala, les jeunes ont besoin de comité leader, visant à  améliorer les compétences des jeunes à travers les formations. Une structure qui encourage et facilite également aussi le développement des projets. Cependant, le secrétaire général de la région de Vatovavy, Gilbert Ramanana, encourage les jeunes à créer des emplois. Au cours du débat, il a été annoncé que la région Vatovavy va organiser une foire économique régionale pour faire connaître les richesses et les compétences de la région.
Araka ny fanadihadiana nataon’ireo tanora niofana tao anatin’ny tetikasa OBSMADA ao amin’ny faritra Vatovavy, mihamiakatra hatrany ny isan’ireo tanora tsy an’asa ao antoerana. Amin’ny tanora 15 izay manana diploma, 3 ihany no mbola an’asa.  Ny tetikasa OBS-Mada izay fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar sy ny MutliSector Information Service TATAO, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka. Araka ny angombaovao avy amin’ireo tanora, ireo tanora avy amin’ny faritra hafa no ankamaroan’ireo mpiasa voaray rehefa misy fandraisana mpiasa kanefa mitovy ny masontsivana. Tafiditra ao anatiny na ny sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Maro ireo tolotrasa saingy tsy ampy ny fampahafantarana izany amin’ireo tanora hoy ny tomponandraikitra nisolo tena ny Kaominina Mananjary, Rasolonirina Christian Benoit. Nanentana ireo tanora anefa izy mba hamaly ireo tolotra fampiofanana sy fifaninanana ao amin’ny faritra. Mety manana ny masontsivana amin’ny fandraisana mpiasa ireo sehatra tsy miankina ka azon’ny lehibe ao amin’ny faritra atao hoy ny tanora Razafindravao Thomas Franklino , ny manao hay taky amin’ireo orinasa ireo mba hanomezany lanja ireo tanora ao amin’ny faritra.  Ohatra nomeny ny fanaovana fanadihadiana mikasika ny fahaizamanaon’ireo tanora amin’ny karazana asa rehetra. Mila rafitra mitarika ireo tanora hoy ny tanora Rakotoarimalala Delio, mba hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo tanora amin’ny alalan’ny fampiofanana. Fa mba hanosika sy hanamora ihany koa  ny fampivoarana ireo tetikasa. Manosika ireo tanora mba hamorona asa ihany koa anefa ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Vatovavy, Ramanana Gilbert. Nandritra ny ady hevitra no nampahafantarana fa hisy ny vinabe rejionaly ho an’ny fihariana mba hampahafantarana ny fahaizamanaon’ny tanora ao amin’ny faritra Vatovavy.