La participation des jeunes dans les structures de décision est une garantie pour la bonne gouvernance. Cependant, les jeunes de la région de Fitovinany qui se sont formés dans le projet OBSMADA constatent qu'on ne leur donne pas assez de place au niveau des différentes entités étatiques.  Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement et le MutliSector Information Service TATAO, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.  De nombreuses associations de jeunes  ont fait des requêtes, par exemple, pour organiser l'événement Batrelaka afin de promouvoir le tourisme de la région. Il y avait aussi des propositions venant des associations sportives sur des actions d’assainissement. Cependant, certaines demandes restent toujours sans réponse. Les jeunes se sentent alors marginalisés, la vie de la région devient vulnérable. Pour éviter que les jeunes deviennent des acteurs de conflits, les jeunes Jean Albert Randrianirina et Tata Francis Razafimamamonjy ont représenté les jeunes pour une plaidoirie. L'adjoint au maire de Manakara, William Gilles Randriamanampisoa a suggéré l’adhésion des jeunes dans la Structure Locale de Concertation. Cependant, les responsables respectifs ont besoin de rencontrer périodiquement les jeunes, pour une consultation, a suggéré le gouverneur de la région de Fitovinany, Lucien Laurel Razafitsotra. Selon lui, les jeunes doivent aussi apprendre le sens des actes citoyens et de volontariat. Le débat a fait surgir les types d'accompagnement pour les jeunes, pour les impliquer dans le processus de développement. Cependant, les jeunes ont été invités à sensibiliser leurs pairs pour opérer des projets et à devenir de bons citoyens.
Antoka amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny fampandraisana anjara ny tanora anatin’ireo rafitra mpandray fanapahankevitra. Hatreto anefa, mahatsapa tena ireo tanora avy amin’ny faritra Fitovinany fa mbola tsy omena lanja eo anivon’ireo rafitra. Izay no angonkevitra nataon’ireo tanora niofana tao anatin’ny tetikasa OBSMADA avy ao antoerana. Ny tetikasa OBS-Mada izay fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar sy ny MutliSector Information Service TATAO, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.  Misy ireo fikambanana tanora manao fangatahana manokana ohatra ny hikarakarana ny hetsika Batrelaka mba hanetsehana ny fizahantany sy ny tsena eto amin’ny faritra. Teo ihany koa ny tolokevitra avy amin’ireo fikambanana tanora toy ny mpanao fanatanjahantena mba handray anjara amin’ny fanadiovana. Kanefa mbola misy amin’ireo fangatahana no tsy mivaly. Rehefa tsy omena sehatra matetika ny tanora dia mahatsiaro tena ho lasa anjorombala. Lasa marefo ny fiainan’ilay faritra ka mety lasa ny tanora indray no hitarika disadisa. Niainga tamin’izay no nitaritan’ny tanora Randrianirina Jean Albert sy Razafimamamonjy Tata Francis ny hay takin’izy ireo. Fomba azon’izy ireo handraisana anjara ny fidirana anatin’ireo rafitra fakan-kevitra toy ny Structure Locale de Concertation eny anivon’ny Kaominina hoy ny ben’ny tanà na lefitra eto Manakara, Randriamanampisoa William Gilles. Mila mihaona matetika amin’ireo tanora anefa ireo tomponandarikitra tsirairay avy, hahafahana manao ny fakankevitra hoy ny Governoran’ny faritra Fitovignany, Razafitsotra Lucien Laurel. Mila mianatra ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olompirenena anefa ny tanora hoy izy ka manome lanja ny asa antsitrapo. Nandritra ny ady hevitra no niresahana mikasika ireo karazana tohana ho an’ny tanora, na ara-kevitra na ara-teknika mba hampandraisana anjara azy ireo anatin’ny fampandrosoana. Eo ihany koa anefa ny andraikitra andrasana amin’ny tanora dia fanentanana sy fitaizana ireo naman’izy ireo mba ho vonona amin’ireo tetikasa sy ho lasa olombanona.