COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

©Freepik.com
De plus en plus de femmes sont à la tête des entreprises du NTIC

Droit des femmes et le numérique

En 2018, seules 3 femmes sur 10 ont eu accès à un téléphone portable en milieu rural, contre 6 sur 10 dans les grandes villes à Madagascar. 1 femme sur 100 pourrait utiliser un ordinateur dans les zones rurales contre 10 sur 100 dans les grandes villes. Et peu de femmes occupent des postes politiques et économiques jusqu'à présent. Ces chiffres sont liés.

« Donner accès aux outils informatiques et à communiquer aide à impliquer davantage les femmes dans les sphères politique et économique », avance Manitra Ala RATSIMBAZAFY, de l'EISA. "Les parents et les familles ne devraient pas interdire l'accès des filles aux emplois qu'elles souhaitent exercer, en particulier dans les zones rurales", ajoute Karen ANDRIAMAMONJY, fondatrice de Red Raketa. "Nous recrutons hommes et femmes à parts égales dans nos entreprises. Nous allons également former des milliers de jeunes dans 8 villes de Madagascar cette année » complète Matina RAZAFIMAHEFA, fondatrice de SAYNA.

« Pour un monde digital inclusif : innovation et technologies pour l’égalité des sexes » était le thème de la célébration du 8 mars de cette année. De plus en plus d'entreprises du NTIC militent pour l’équité des genres aujourd’hui.

Studio Sifaka · 2023-03-11 Fandaharana NDAO HILAOEKY - NTIC & GENRE

Ny taona 2018, vehivavy 3 amin’ny 10 ihany no afaka nampiasa finday teny ambanivohitra. 6 amin’ny 10 izy ireo taty antanan-dehibe. Vehivavy 1 amin’ny 100 kosa no afaka nampiasa solosaina tany ambanivohitra raha 10 amin’ny 100 izany aty an-tanan-dehibe. Ary vitsy ireo vehivavy mitàna andraikitra politika sy ara-toekarena hatreto. Mifandray anefa ireo.

« Manampy amin’ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny sehatra politika sy ara-toekarena ny fanomezana fahafahana azy hampiasa ireo fitaovana informatika sy hiserasera » hoy i Manitra Ala RATSIMBAZAFY, avy ao amin’ny EISA. «tsy tokony mametra ireo ankizivavy amin’ny asa tiany ho atao ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana, indrindra ireo eny ambanivohitra » hoy i Karen ANDRIAMAMONJY, namorona ny Red Raketa.

« Ampitovianay ny isan’ny lehilahy sy vehivavy miasa ao aminay. Mbola hanofana tanora an’arivony amin’ny tanàna 8 eto Madagasikara koa izahay amin’ity taona ity» hoy i Matina RAZAFIMAHEFA, namorona ny SAYNA

« Ho an’ny tontolo nomerika mampiaty : fanavaozana sy teknolojia ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy » no lohahevitra nentina nandritra ny fankalazana ny 8 marsa tamin’ity taona ity. Mitombo isa ireo orinasa misehatra amin’ny NTIC no mampitovy ny isan’ny lehilahy sy vehivavy na manome vahana ny isan’ny vehivavy miasa ao amin’izy ireo.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter