En tant que citoyens, les jeunes veulent contribuer à la vie politique de leur pays et aller voter. Toutefois, ils font face à un blocage et sont écartés de cette scène selon quelques jeunes, lors de leur passage dans l’émission « Ndao Hilaoeky ». Les jeunes ne sont pas assez valorisés dans les affaires sociales, disent-ils. Cela est palpable au niveau des fokontany. Pourtant, pendant les périodes électorales, certains politiciens ou partis politiques n’hésitent pas à les exploiter. « Il est temps que les jeunes revendiquent leur place dans la vie politique. Ils ne peuvent plus restés spectateurs de leur propre développement » avance Tsimihipa Andriamazavarivo, de l’ONG Tolotsoa. « De plus en plus d’ONG et d’OSC forment des jeunes pour qu’ils s’intègrent mieux à leur parcours politique et portent la parole des jeunes » ajoute Seta Dera de Liberty 32.
Parallèlement, les jeunes ne veulent pas s’impliquer car ils ne savent rien de la vie politique. Il faut les instruire depuis l’école et au sein d’associations, suggère Ranomenjanahary Avotiana, citoyenne. C’est pourquoi, Mme Lalasoa, responsable d’un Fokontany de la capitale, ne manque pas de mobiliser à la porte à porte, chaque famille et chaque jeune de son quartier, à participer d’avantage aux élections.
Mazoto handray anjara amin’ny fiainam-pirenena sy hifidy ny tanora amin’ny maha-olom-pirenena azy, saingy misy ireo sakatsakana izay mampihemotra azy ireo raha ny nambaran’ireo tanora nivahiny tao amin’ny fandaharana Ndao Hilaoeky. Isan’izany ny tsy fanomezana lanja ireo tanora sy ny fanilikilihana atao aminy rehefa misy ireo raharaha eny amin’ny fokontany ohatra. Mahatsiaro ho atao fitaovana kosa anefa izy ireo rehefa tonga ny fotoam-pifidianana. « Tsara raha mampahafantatra ny sadifiny sy mitondra anjara biriky ireo tanora fa tsy hijanona ho mpitazana ny fiainam-pirenena fotsiny » hoy i Tsimihipa Andriamazavarivo, avy ao amin’ny ONG Tolotsoa. « Efa maro ireo fampiofanana omena ireo tanora hirotsaka amin’ny sehatra politika mba hitondran’izy ireo ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana», hoy Seta Dera, tanora mpikambana ao amin’ny Liberty 32.
Betsaka ihany koa anefa ireo tanora kamo noho ny tsy fahalalany ny lanjany eo amin’ny fiainam-pirenena, indrindra mandritra ny fifidianana. Mila tohana sy fampihofanana araka izany izy ireo, raha ny soso-kevitr’i Ranomenjanahary Avotiana, olom-pirenena tanora. Miainga amin’ny fanentanan’ireo tompon’andraiki-pokontany eny ifotony izany hoy kosa ny filoham-pokontany iray eto an-drenivohitra.