COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ÉLECTIONS

©Freepik
Personne plaçant son vote dans la case

Vomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na CENI, ahoana tokoa ny mombamomba azy io ?

Chez nous à Madagascar, c’est l’organisme qui se charge de la gestion et de la supervision des opérations électorales et des référendums, selon l’article 5 de la constitution. Petite historique. Nommée à l’époque commission Nationale électorale ou CNE, les élections étaient sous la charge de l’Etat, à travers le ministère de l’intérieur. La nouvelle version, devenue commission électorale Nationale Indépendante ou CENI est née de la crise politique de 2009 et reste jusqu’à présent.

Elle est composée de 19 commissaires électoraux, compétents en matière d’élection. Ils sont nommés par décret et exerce en tant que tel pour une durée de 7 ans. Parmi les 19, 10 membres viennent de la société civile, 2 de l’administration, c’est-à-dire venant du ministère de l’intérieur et celui de la décentralisation. Les 7 restant viennent des partis politiques existants. Les membres des institutions de la République, les membres du gouvernement ou d’un cabinet ministériel, les titulaires de hauts emplois de l’Etat, les autorités administratives, les candidats aux élections ainsi que les éléments des Forces armées ne sont éligibles à aucun des postes auprès de la CENI.

Studio Sifaka · 2023-04-25 DECRYPTAGE - CENI VM

Ho antsika eto Madagasikara, dia izy io no misahana manontolo ny fampandehanana sy fanarahamaso ny raharaham-pifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, araka ny fehezan-dalàna faha 5 ao amin’ny lalàm-panorenana. Raha ampahatsiahy kely isika, ny vomiera nasionaly misahana ny fifidianana na CNE taloha no nandray an-tànana ny fifidianana teto amin-tsika, teo ambany fiahian’ny fanjakana izay niandraketan’ny ministeran’ny atitany. Niova ho vomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na CENI kosa izy nanomboka taorian’ny krizy politika ny taona 2009, ary mandran-kankehitriny.

Mpikambana 19 manana trai-kefa manokana momba ny fifidianana no mandrafitra ny CENI. Didim-panjakana no manendry azy ireo hiasa mandritra ny 7 taona.  10 amin’izy ireo avy amin’ny firaisamonim-pirenena, ny 2 kosa mpitantana raharaham-panjakana, izany hoe avy ao amin’ny ministeran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana. Ny fito ambiny kosa dia avy amin’ireo antoko politika samihafa misy eto amin’ny firenena.

Tsy afaka miandraikitra ny asa ao anivon’ny CENI kosa ireo olona avy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, mpiasam-panjakana ambony, mpirotsaka ho fidiana na ihany koa avy amin’ny tafika.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter