La campagne électorale est l'ensemble des opérations de propagande précédant une élection, visant à amener les électeurs à soutenir et à faire voter pour un candidat en compétition dans une élection. La durée de la campagne électorale varie selon le type de vote :
- Trente (30) jours, pour le référendum
- Trente (30) jours pour le premier tour et sept (7) jours pour le second tour de l’élection du Président de la République
- Vingt et un (21) jours, pour les élections législatives et sénatoriales ainsi que les élections territoriales.
Afin d’éviter le chevauchement des campagnes électorales et des scrutins correspondants, l’élection du Président de la République, celle des députés et celle des sénateurs doivent se tenir à des dates distinctes. La campagne électorale officielle s'achève dans tous les cas vingt-quatre (24) heures avant le jour du scrutin. C’est ce qu’on appelle le silence électoral.
Inona marina ny atao hoe fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ?
Atao hoe fampielezan-kevitra izay hetsika rehetra ataona kandida iray na antoko politika iray mba handresena lahatra ny olona hifidy azy amin’ireo kandida maromaro misy. Miovaova araka ny karazana fifidianana ny faharetan’io fampielezan-kevitra io :
- 30 andro rehefa fitsapan-kevi-bahoaka
- Raha fifidianana filoham-pirenena dia 30 andro ho an’ny fiodinana voalohany ary fito andro ho an’ny fiodinana faharoa
- 21 andro ho an’ny fifidianana solombavambahoaka sy loholona, ary ny fifidianana isaky ny faritany
Tsy maintsy tanterahina amin’ny andro samihafa ny fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka ary loholona, mba hisorohana ny fifangaroan’ny fampielezan-kevitra sy ny fandatsaham-bato isaky ny karazana fifidianana avy.
Mifarana 24 ora mialoha ny andro fandatsaham-bato ny fampielezan-kevitra ôfisialy. Izay no antsoina hoe fahanginana amin’ny fifidianana.