COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ÉLECTIONS

©Leopictures de Pixabay
Après être élu, le Président a beaucoup de responsabilités

Quels sont les rôles du président de la république ?

Le Président de la République élu au suffrage universel direct est le Chef de l’Etat. C’est lui qui assure le fonctionnement de la constitution ; rassemblant le respect et le bon déroulement des institutions publics. Plus précisément tout ce qui touche l’intérêt de la population.

Il est le dirigeant politique du pays et est aussi le Chef de l’armée, ce qui lui permet de consolider la sécurité de tout le pays.

Par ailleurs il est le chef exécutif, non seulement de ses devoirs en réalisant la continuité des travaux de l’Etat, mais aussi d’accomplir ses programmes annoncés lors de la propagande.

Le Chef de l’Etat renforce également l’indépendance de la nation, et représente ses intérêts à l’international.

En outre, il est chargé de nommer le premier ministre, les emplois militaires et civils, et mène les différents conseils, comme le conseil du gouvernement. 

Il peut donner des droits aux grâces, et organise des référendums, une demande de modification politique par les citoyens.

A Madagascar, le mandat du président est de cinq ans.

Studio Sifaka · 2023-08-29 Fandaharana _DECRYPTAGE ROLE DU PRESIDENT VM

Inona no andraikitry ny filohan’ny Repoblika ?

Ny Filohan’ny Repoblika voafidy amin’ny alalan’ny latsabaton’ny vahoaka tsy vakivolo dia Filoham-panjakana. Izy no miantoka ny fampandehanana ny lalàm-panorenana ; fampiharana ny fanajana sy ny fampandehanan-draharaham-panjakana. Izany hoe izay rehetra mahakasika ny tombontsoan'ny vahoaka.

Mpitarika ara-politika eto amin'ny firenena izy ary lehiben'ny tafika ihany koa. Izay no ahafahany manamafy ny fiarovana ny firenena iray manontolo.

Ankoatra izay, izy no lehiben’ny mpanatanteraka, tsy amin’ny adidiny amin’ny fitohizany ny asan’ny Fanjakana ihany, fa amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa nambarany nandritra ny propagandy.

Manamafy ny fahaleovantenan’ny firenena ihany koa ny Filoham-pirenena, ary misolo tena ny vinany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Ankoatra izay dia tompon’andraikitra amin’ny fanendrena ny praiminisitra, ny asa miaramila sy sivily, ary mitarika ireo filankevitra samihafa, toy ny filankevitry ny governemanta.

Afaka manome zo amin'ny famotsoran-keloka manokana izy, ary mikarakara fitsapan-kevi-bahoaka, fangatahana fanovana ara-politika ataon'ny olom-pirenena.

Marihina fa dimy taona ny fe-potoam-piasany eto Madagasikara.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter