Les démangeaisons sont-elles un autre signal d'alarme de la covid-19 ?
Oui.
En effet, certains malades du coronavirus ont signalé les éruptions cutanées s'accompagnant de démangeaison au tout début de la pandémie du coronavirus.
Aujourd'hui des experts anglais disent que les démangeaisons et les rougeurs sur la peau figureraient parmi les signaux d'alerte du virus. Ce type de symptôme concernerait même les cas asymptomatiques.
Si jamais vous voyez l'apparition de rougeurs sur votre corps, il serait mieux de les prendre au sérieux et d'aller vous faire dépister, si possible dans les 24h, et ce, même si vous n'avez pas d'autres symptôme.
Anisan'ny fambara manaitra amin'ny covid-19 ve ny mangidihidy ?
Eny.
Misy sasany amin'ireo mararin'ny coronavirus no milaza fa misy faritra mangidihidy amin'ny vatany tamin'ny vao niatomboka ny fiparitahan'ny valanaretina coronavirus.
Ankehitriny, milaza ireo manampahaizana anglisy fa an'isan'ny fambara manaitra amin'ny coronavirus ny mangidigidy sy ny faritra menamena amin'ny hoditra. Mety ho voakasik'ity fambaran'aretina ity na ireo marary tsy misy soritr'aretina aza na ilay atao hoe asymptomatiques.
Raha sanatria misy faritra menamena somary mangidihidy eo amin'ny vatanao, aleo manao fitiliana ihany. Ao anatin'ny 24 ora no manao izay fitiliana izay raha mety na dia tsy misy fambaran'aretina aza ianao.