Pour diverses raisons, il arrive que notre corps soit épuisé au point que nous avons du mal à dormir, le soir. Quand l’insomnie s’installe, nous avons tendance à prendre des somnifères. Bien évidemment, ils nous aident à fermer l’œil, mais la prise quotidienne ou systématique de somnifères entraîne la dépendance. Et d’ailleurs, cela doit être prescrit par un médecin.
Selon le docteur Rachel Razanajohary, de la tisane à la citronnelle peut servir de substitut aux somnifères. Mais il faudrait surtout opter pour un traitement psychologique durant lequel l’insomniaque apprend à remettre de l’ordre dans sa vie.
Le burn out au travail peut être à l’origine de l’insomnie. Il s’agit de l’état d’épuisement physique et psychologique dont peut souffrir un employé. A ce stade, il n’est plus motivé à faire son travail et n’est plus heureux. Selon la psychologue Koloina Andrianilaina, le manque de reconnaissance de la part de son employeur, ou le fait de ne plus remplir les exigences du métier sont les principales causes du burn out au travail.
Misy fotoana, noho ny antony maro samy hafa, dia tsy mahita tory rehefa alina ka mihinana fanafody fampatoriana. Marina tokoa fa mampahita tory izy ireny saingy mety hiteraka fiankinan-doha, ary misy toromarika tokony harahana.
Voalohany amin’izany, hoy ny dokotera Razanajohary Rachel, dia tokony misy taratasy avy any amin’ny mpitsabo manambara fa mila mihinana fampatoriana ny olona iray. Manaraka izany, azo atao tsara ny misoroka ny fihinana azy ireny amin’ny alalan’ny dite misy veromanitra. Saingy ny fandaminana ny fiainana, hoy hatrany izy, no tena vahaolana mety indrindra.
Maro dia maro ny antony tsy mampahita tory, ary mety ho isan’izany ny « burn out » any am-piasana. Vanim-potoana lalovan’ny mpiasa iray izy io ka rehefa tonga amin’izay fotoana izay dia sady reraka, tsy mazoto intsony, no tsy mahatsiaro tena sambatra intsony izy eo am-panaovana ny asany. Anisan’ny antony mahatonga ny « burn out », araka ny nambaran’ny psikology, Andrianilaina Koloina, ny tsy fananany ireo traikefa takiana aminy ahafahany manao ilay asa, na ihany koa ny tsy fankasitrahana ny zava-bitany.