COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesConseils santé / SantéNakà

©Studio Sifaka
Le cancer de l’estomac peut se manifester par des brûlures d’estomac et des vomissements.

SantéNakà: Cancer de l’estomac et hémorragie digestive, des maladies de l’appareil digestif

Le cancer de l’estomac peut se manifester par des brûlures d’estomac, des séries de hoquet persistant, de la fièvre, quelquefois des vomissements et la présence de sang dans les selles, selon le Docteur Louis Firmin Rakotonomenjanahary. Pour pallier cela, il recommande le calme et l’adoption d’une alimentation saine et équilibrée.

L’hémorragie digestive est une perte de sang importante au niveau de l’appareil digestif, selon les explications du Docteur Herinirina Fanomezantsoa Randrianarizay. Cette maladie peut se manifester sous 2 formes : l’hémorragie digestive haute ou le vomissement de sang, et l’hémorragie digestive basse ou l’émission par l’anus de sang digéré. L’ulcère gastro-duodénal, l’automédication et l’alcoolisme font partie des causes de l’hémorragie digestive. Il recommande de consulter un médecin plutôt que de recourir à l’automédication. Il souligne qu’il faut éviter l’alcool et le tabac et boire au moins 1 litre d’eau au minimum par jour.



Miseho amin’ny alalan’ny fanaintainana eo ambavafo, tsy fahazotoana homana, fitsakoahana matetika, fanaviana ary fivalanan-drà na fandoavana rà indraindray ny homamiadan’ny vavony, araka ny fanazavan’i dokotera Rakotonomenjanahary Louis Firmin. Azo atao tsara hoy izy ny misoroka an’izany aretina izany amin’ny alalan’ny fandaminan-tsaina sy ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy ara-potoana.

Fivoahan’ny rà avy ao amin’ny taovam-pandevonan-kanina ny « hémorragie digestive » hoy i dokotera Randrianarizay Fanomezantsoa Herinirina. Azo sokajiana roa izany aretina izany : ny fandoavana rà sy ny fivalanan-drà. Antony mahatonga azy io ny fisian’ny aretim-bavony izay tsy voatsabo tsara, ny fihinanana fanafody mahery vaika, ary ny fisotroana zava-pisotro mahamamo. Mba hisorohana an’izany, ilaina ny manatona mpitsabo fa tsy manao dokotera tena, fadina ny misotro toaka sy mifoka sigara, ary zava-dehibe ny misotro rano farafahakeliny iray litatra isan’andro.

Studio Sifaka · 2020 - 09 - 22 Fandaharana - SANTENAKA - HEMORRAGIE - DIGESTIVE
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter