Pour le moment, à Madagascar, rien n’indique que des personnes aient pu être contaminées en fréquentant un bar ou un restaurant. Cependant, une étude publiée le 10 septembre par les autorités sanitaires américaines, évoque que les traçages de contacts dans quelques États américains ont mis en évidence que les bars et les restaurants étaient à l'origine de nombreuses contaminations à la covid-19.
Pour arriver à cette conclusion, les autorités ont fait remplir des questionnaires à environ 300 sujets venus se faire tester en juillet dans 11 hôpitaux américains dont la moitié ont été testés positifs. Selon les résultats, les cas positifs étaient deux fois plus nombreux à être allés au restaurant que les cas négatifs, dans les deux semaines précédant les premiers symptômes. Si l'étude devait être confirmée, cela pourrait prouver que la contagion dans les restaurants et les bars est beaucoup plus importante. Pourquoi ? Et bien probablement à cause du non port du masque une fois que vous êtes à table.
Toerana manamora ny fifindran’ny coronavirus ve ireo toeram-pisakafoanana sy fisotroana ?
Hatreto aloha, mbola tsy nisy nanamarina fa nisy olona voan’ny coronavirus noho ny fandehanany tany amin’ny toeram-pisakafoanana sy fisotroana. Kanefa nisy fanadihadiana iray nataon’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana tany Etazonia, izay navoaka ny 10 Septambra, nilaza fa tranga maromaro no hita vokatry ny fifampikasohana tany amin’ireny toeram-pisakafoanana sy fisotroana ireny, tany amina firenena sasasantsany tany an-toerana.
Olona 300 nanao fitiliana tamina hopitaly 11, no nasain’ireo manampahefana namaly ny fanontanian’izy ireo antsoratra, tamin’ny volana jolay. Voamarina fa voan’ny coronavirus ny antsasak’izy ireo. Araka ny valim-panontaniana, namonjy toeram-pisakafoanana matetika mihoatra noho ireo izay tsy voa izy ireo, 2 herinandro talohan’ny fisehoan’ny soritraretina. Raha voamarina ity fanadihadiana ity, toerana manamora ny fifindran’ny coronavirus tokoa ireo toeram-pisakafoanana sy fisotrosotroana. Inona ny antony ? Mety noho ny tsy fanaovana aro-vava rehefa hisakafo.