Parmi ces livres, on retrouve les titres : « La fin des temps » de la voyante Sylvia Brown (2008) ou encore « Le nouveau rapport de la CIA » d’Alexandre Adler, certains internautes ont repris certains passages de ces deux publications et les ont postés sur les réseaux sociaux. Les passages en question parlent d'une maladie ressemblant fortement à une forme grave de pneumonie se répandant à travers le monde.
Ce type de prophétie sur le coronavirus décontextualisé circulant de plus en plus n’est qu'un hasard. Impossible de savoir combien de fois cette prophétie a été partagée, mais un tweet de Kim Kardashian publiant un extrait du livre « La fin des temps » a obtenu plus de 240.000 « J'aime ».
Nisy boky naminany ny fisian’ny valanaretina covid-19 ve ?
Isan’ireo boky voalaza fa naminany ny fisian’ny valanaretina covid-19 ny boky mitondra ny lohateny hoe « la fin des temps » izay nosoratan’ny mpanandro Sylvia Brown (2008). Ao ihany koa ilay boky mitondra ny lohateny hoe « le nouveau rapport de la CIA » izay nosoratan’i Alexandre Adler. Misy sasany amin’ireo mpampiasa aterineto aza moa mampiseho ampahany amin’izay voasoratra ao anatin’ireo boky roa ireo amin’ny tambajotran-tserasera. Milaza ireo andalan’ny boky ireo fa hisy aretina mahery vaika mitovy amin’ny pneumonie hamely an’izao tontolo izao.
Tsy mitombina ao anaty hodidina misy azy itony faminaniana mikasika ny coronavirus itony. Fifanandrifin-javatra fotsiny ihany ny ankabeazan’izy ireo. Tsy hay hoe efa impiry izay ity faminaniana ity no nozaraina tamin’ny tambajotran-tserasera. Fa nisy tweet mirakitra ny ampahan’ny voasoratra tao amin’ny boky, nataon’i Kim Kardashian, no efa nahazo 240.000 « J’aime ».