En sport, l’échauffement est une étape obligatoire de l'entraînement. Il consiste à préparer le corps, les organes et le mental. L’importance de cette préparation est de réduire les risques de blessures. Le médecin, Tsihory Andriamanalina, responsable médical de la fédération malgache de football, explique qu’en général, il y a 3 phases à suivre pour un échauffement idéal. Premièrement, il y a la préparation cardio-pulmonaire à travers des petites courses à pied. Vient ensuite la préparation des articulations. Et enfin, l’échauffement des muscles. Cependant, les mouvements utilisés pendant la 3ème phase peuvent varier selon la discipline sportive. Il n’y a pas que l’échauffement qui garantit la bonne performance d’un joueur. Un athlète doit être en forme, agile et dynamique au moment des préparations et des compétitions. D’ailleurs, c’est l’une des raisons pour laquelle certains athlètes optent pour la prise de fortifiants. Cependant, certains éléments de ces médicaments sont interdits par les fédérations internationales et sont considérés comme un dopage. Le médecin Ny Aina Randriamiarisoa explique que si un élément contenant du Narcotique, du cannabinoïde, de la morphine, des corticoïdes et du salbutamol sont trouvés dans les tests anti-dopage des athlètes, ils seront sanctionnés. Il faut noter que les tests anti-dopage sont inopinés.
Ny fanafanam-batana dia dingana tsy maintsy arahina rehefa manazatra tena. Natao hanomanana ny vatana, ny taova ary ny saina izany. Ny mahazava-dehibe azy dia misoroka ny faharatrana rehetra eny amin’ny vatana. Manazava ny mpitsabo avy ao amin’ny federasiona malagasy ny baolina kitra, Andriamanalina Tsihory fa amin'ny ankapobeny misy dingana 3 tsy maintsy atao rehefa manafana vatana. Voalohany, manomana ny fo sy taova-pisefoana amin’ny alalan’ny hazakazaka madinika. Avy eo ny fanomanana ny tonon-taolana sy ny vanin-taolana. Ary farany, manafana ny hozatra. Marihina fa ny fihetsika ampiasaina mandritra ny dingana fahatelo dia miovaova arakaraky ny taranja atao.
Tsy ny fiomanana mialoha ihany no manome antoka ny fahombiazan'ny mpilalao iray. Ny atleta dia tsy maintsy salama ary mavitrika mandritra ny fiomanana sy ny fifaninanana. Ka izay no isan’ny mahatoga ny mpilalao sasany mihinana fanafody mampatanjaka. Fantaro anefa fa misy singa voararan’ny lalàna mifehy ny fanatajahantena ny fihinana azy hoy ny mpitsabo Randriamiarisoa Ny Aina, filohan’ny fikambanan’ny mpitsabo mpanao fanatajahantena. Raha toa ka ahitana Narcotique, cannabinoÏde, morphine, corticoïdes ary salbutamol ny atileta iray dia voasazy avy hatrany. Marihina fa tampoka ny fitilina atao azy ireo.