Oui.
Une nouvelle étude menée par des médecins légistes en Allemagne démontre que le Coronavirus, resterait infectieux jusqu'à 35 heures après le décès d’une personne. En effet, selon cette étude, même après la mort, le virus continuerait de se répliquer dans la gorge d'une personne qui a été contaminée. C’est à l’aide de teste nasopharyngés réalisés sur 79 corps sur une période de 17 heures après le décès que les chercheurs ont détecté la présence de l’ADN de la Covid-19 vivant. Le coronavirus serait alors capable d'infecter d'autres personnes lors de la manipulation des corps. C’est également pour cette raison qu’un protocole spécial est mis en place lors de la prise en charge des défunts.
Les recherches se poursuivent. Les scientifiques allemands ont demandé le soutien de l’Organisation Mondiale de la Santé (OMS) pour poursuivre la recherche sur un plus grand nombre de corps atteints de la Covid-19, pendant la pandémie.
Mbola velona foana ve ny coronavirus na dia maty aza ilay olona nitondra ny tsimokaretina ?
Eny.
Nisy fikarohana vaovao nataona dokotera mpizaha razana tany Alemana milaza fa afaka mbola mifindra ny coronavirus aorian'ny 35 ora nahafatesan'ilay olona nitondra ny tsimokaretina. Araka ity fikarohana ity, mbola mihanaka ao anaty tendan'ilay olona voa ihany ny coronavirus na aorian'ny fahafatesana aza. Tamin'ny alalan'ny fitiliana ny orona sy ny tendan'olona maty, tao anatin'ny 17 ora, no nahitan'ireo mpikaroka ny ADN-ana coronavirus velona. Mbola afaka mifindra any amin'ireo olona mikirakira ny vatana mangatsika noho izany ny coronavirus. Izay indrindra no antony hisiana fepetra manokana momba ireny razana ireny.
Mitohy hatrany ny fikarohana. Nangataka ny fanohanan'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na ny OMS ireo mpikaroka alemana mba hitohizan'izay fikarohana izay eo amina razana voan'ny coronavirus maromaro kokoa, mandritra ny valan'aretina.