COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesConseils santé / SantéNakà

©Efes
L’allaitement permet de lutter contre le cancer du sein.

L’essentiel à savoir sur le cancer du sein

Vehivavy 23.500 isan-taona no voatily fa tratran’ny homamiadan’ny nono eto Madagasikara araka ny tarehimarika avy amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny taona 2019 lasa teo. Raha vao maheno ny olona iray fa tratry ny homamiadan’ny nono dia matahotra ary mihevitra fa ho faty tsy ho ela. Toy  izany no niainan’ity olona iray ity ny niatrehany izany aretina izany. Ny olona hafa iray kosa dia nisafidy ny hiatrika izany ary ny ho matanjan-tsaina hatrany manoloana ity aretina ity.

Antony lehibe mahatonga io aretina io hoy ny mpitsabo Rakotoarivo Toky ny resaka tarazo sy ny tsy fahaizana misakafo ary ny fisian’ny tavy be loatra eo amin’ny vatana. Raha ny fitsaboana kosa dia miankina amin’ny fandidiana sy ny chimiothérapie ary ny radiotéhrapie. Raha tsy te ho voan’ity homamiadana ity dia tsara kokoa ny manana fahazaram-piainana tsara ara-tsakafo sy manao fanatanjahantena hoy ity mpitsabo ity. Raha toa ka efa nisy fianakaviana efa voan’ny homamiadan’ny nono dia mila manao fitiliana mialoha hisorohana izany.


Studio Sifaka · 2021-03-16 Fandaharana SANTENAKA - CANCER DU SEIN

En 2019, 23 500 femmes ont été atteintes du cancer du sein à Madagascar, selon les chiffres publiés par le ministère de la Santé publique. Nous allons entendre ici deux témoignages de malades atteints de ce cancer. L’une a été dévastée, à l’entente de cette nouvelle, et se préparait déjà à la mort, l’autre s’est fortifiée mentalement et n’a pas baissé les bras face à cette maladie. Les principales causes de la maladie sont la génétique, la mauvaise alimentation et l'obésité, explique l’oncologue, Toky Rakotoarivo. Ce type de cancer peut être traité  par la chirurgie, la chimiothérapie et la radiothérapie. Une bonne hygiène de vie, de bonnes habitudes alimentaires, des exercices physiques sont conseillés pour l’éviter. 

Se faire dépister le plus tôt possible est également recommandé si un parent proche est atteint de cette maladie afin de diagnostiquer d’éventuels signes de cancer.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter