COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesConseils santé / SantéNakà

©Cottonbro
Le variant Sud-Africain de la COVID-19 est dit plus virulent que celui de la première souche.

Le variant sud-africain immuniserait contre d'autres mutations du virus ?

Selon une étude préliminaire sud-africaine sortie le mercredi 24 mars 2021, les personnes qui auraient contracté le variant sud-africain du coronavirus posséderaient une meilleure immunité face aux autres mutations de la COVID-19. En effet, les anticorps générés par le virus sud-africain se sont avérés efficaces à 100% contre le variant brésilien, lui aussi reconnu comme très contagieux.


Sachez que les personnes infectées par le variant sud-africain ont les mêmes symptômes de la souche initiale du coronavirus : fièvre, toux, courbatures, perte du goût et de l’odorat. L’un des soucis avec ce variant est qu’il réinfecte des personnes qui avaient déjà été malades. Il est cependant important de particulièrement surveiller le manque d’oxygénation. Si vous commencez à avoir du mal à bouger, à respirer et que vos ongles deviennent bleus, c’est un signe qu’il faut aller aux urgences.


Le laboratoire américain Moderna a débuté, à la mi-mars, un essai clinique de la version de son vaccin spécialement adapté au variant sud-africain. A noter qu’il s’agit d’un vaccin de rappel pour contrer les futurs variants du coronavirus.
Restez prudent !


Studio Sifaka · 2021 - 03 - 25 Décryptage VF

Miaro amin'ny fivadihan'endriky ny tsimokaretina ve ny endrika vaovaon'ny coronavirus avy ao Afrika Atsimo ?


Araka ny fikarohana voalohany tany Afrika Atsimo nivoaka ny alarobia 24 martsa 2021, mety manana fiarovan-tena mahery kokoa manoloana ireo fiovan'endrika vaovaon'ny Covid-19 ireo tratran'ilay endika vaovaon'ny coronavirus avy any Afrika Atsimo. Rehefa nojerena, miaro 100% (zato isan-jato) amin'ilay endrika vaovao avy any Brezil, izay tena mora mifindra tokoa, ireo hery fiarovana napoitran'ny endrika vaovao avy ao Afrika Atsimo.


Fantaro fa mitovy soritraretina amin'ilay coronavirus hita voalohany ireo olona voan'ilay endrika vaovao avy ao Afrika Atsimo : manavy, mikohaka, folapolaka, tsy maheno tsiron-kanina sy fofona. Ny manahirana amin'ity endrika vaovao afrikanina tatsimo ity dia mety ho voany ihany koa ireo olona efa narary teo aloha. Mila jerena matetika ihany koa ny tsy fahampian'ny rivotra iainana, izay aloha tena zava-dehibe. Raha manomboka marary ianao rehefa mihetsika na miaina ary mihamangana ny hohonao, midika izany fa mila makany amin'ny vonjitaitra ianao.

Efa nanomboka ny andrana ny vaksiny manokana ho an'ity endrika vaovaon'ny coronavirus avy any Afrika atsimo ity ny laboratoara amerikana Moderna ny tapaky ny volana martsa teo. Marihina fa vaksiny famerenana izy ity hiarovana ireo endrika vaovaon'ny coronavirus mety hipoitra indray.

Samia mitandrina ary !


Studio Sifaka · 2021 - 03 - 25 Décryptage VM
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter