Non, ce sont des fibres textiles inoffensifs. Lorsque le masque chirurgical est posé sur un bol contenant de l’eau bouillie pendant une certaine durée, sous l’effet de la vapeur chaude, on peut voir sur celui-ci l’apparition de petits fils noirs microscopiques, qui ressemblent à des vers. Mais en vrai, ils n’ont rien à voir avec des parasites.
Selon une biologiste de l’Académie tchèque des sciences, ces fibres peuvent tout à fait provenir des vêtements, des tapis ou même de l’usine de production dudit masque. Elles sont aussi très légères, par conséquent, facilement transportées par la vapeur chaude qui remonte vers le masque. C’est ce qui donne l’impression qu’elles bougent.
Enfin, sachez qu’il est recommandé de toujours acheter les masques chirurgicaux auprès des pharmacies pour s’assurer de leur fiabilité.
Mety ho ratsy ho an’ny fahasalamana ve ireo kofehy kely mainty hita amin’ny aro vava orona fampiasa eny amin’ny “hopitaly” ireny?
Tsia, tsy misy ahiana ny amin’ireo kofehy kely vita amin’ny lamba ireo. Rehefa apetraka ambonin’ny lovia misy rano mangotraka mandritra ny fotoana voafetra mantsy ilay aro vava orona, vokatr’ilay entona mafana, misy karazana kofehy kely mainty hita eo aminy, izay mitovy amin'ny kankana. Raha ny tena izy, tsy misy ifandraisany amin'ny katsentsitra na parasite izy ireny.
Raha ny filazan'ny mpikaroka momba ny zavamanan’aina iray avy ao amin’ny Akademia Tchèque momba ny siansa, azo avy amin'ny akanjo, karipetra na ihany koa avy any amin’ilay orinasa nanamboarana ilay aro vava orona ireo kofehy ireo. Maivana izy, noho izany, mora entin'ilay entona mafana. Io no mahatonga azy ireo toa mihetsika.
Na izany aza, tsara foana ny mividy ireny aro vava orona fampiasa eny amin’ny hopitaly ireny eny amin’ny fivarotam-panafody mba hahazoana antoka tsara amin’ny fiasany.