À l’heure actuelle, aucune étude scientifique ni essai clinique ne peut confirmer avec certitude que le remède traditionnel Ed1 est efficace contre la COVID-19, même si certaines personnes ont déjà témoigné sur les réseaux sociaux.
En effet, il reste encore des questions sans réponse autour de ce remède. Il n’existe pas d’informations fiables sur la composition exacte de l’Ed1, la teneur en principes actifs, comment il agit dans l’organisme et quels peuvent en être les effets secondaires.
On ne sait également pas si l’utilisation de ce produit peut constituer des risques pour les sujets diabétiques ou qui souffrent d’hypertension.
Et attention, il existe aujourd’hui des produits contrefaits de l’Ed1 vendus sur le marché et sur les réseaux sociaux. Toujours est-il qu’on ignore l’origine des produits, la qualité des composants utilisés et aussi les conditions de conservation.
Restez prudent et informez-vous bien avant de prendre vos décisions !
Â
Mahomby amin'ny COVID-19 tokoa ve ilay fanafody nentim-paharazana Ed1?
Mbola tsy misy fandalinana siantifika na andrana afaka manamarina aloha hatreto fa mandaitra amin'ny COVID-19 ny fanafody nentim-paharazana Ed1, na dia efa nisy aza ireo olona nijoro vavolombelona tamin'ny tambajotra sosialy.
Mbola misy tokoa ireo fanontaniana tsy voavaly manodidina an'io fanafody io. Tsy misy fahalalana azo antoka mikasika ny singa mandrafitra azy, ny fatran’ny akora, ny fomba fiasany amin’ny vatana ary ny mety ho vokany.
Tsy fantatra ihany koa raha mety hisy fiantraikany amin’ny olona voan'ny diabeta na manana tosidra ambony ny fampiasana an'io vokatra io.
Mila mitandrina ihany koa satria misy ireo vokatra Ed1 sandoka amidy eny an-tsena sy amin'ny tambajotra sosialy. Ary tsy fantatra ny niandohan'izy ireny, ny kalitaon'ny singa ao anatiny ary koa ny ny fomba nitahirizana azy.
Mitandrema hatrany ary alalino tsara alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra!