On dit qu’une personne souffre de la Covid longue quand elle présente des séquelles ou des symptômes prolongés de la Covid-19, après avoir quitté l’hôpital ou après son traitement.
Maux de tete, gêne respiratoire, troubles du sommeil, douleurs musculaires, fatigue, mais aussi, dépression, anxiété, ou stress post-traumatique sont les symptômes les plus fréquents. Il faut commencer à s’inquiéter quand ces symptômes persistent au-delà de 4 semaines après l’infection. En France, un malade sur deux a signalé avoir rencontré ces problèmes. 30% d’entre eux sont retournés à l’hôpital, quelques mois après la contamination.
Selon l’OMS, la Covid longue peut survenir à tout âge, y compris chez les jeunes adultes et chez les personnes qui n'ont pas ou peu d'antécédent médical et qui n'ont pas été hospitalisées. Le traitement se fait au cas par cas suivant les symptômes et pouvant inclure du repos, une réadaptation respiratoire ou un réentraînement à l'effort. Il peut durer jusqu’à 3 mois pour certaines personnes.
Inona ilay atao hoe “COVID longue”?
Voalaza fa tratran’ ny “Covid longue “ny olona iray rehefa misy fiantraikany amin’ny toebatany na ahitana soritr'aretin'ny Covid-19 mandritra ny fotoana maharitra izy, taorian'ny nivoahan’ny ny hopitaly na taorian'ny fitsaboana.
Aretin'andoha, tsy fahazoana miaina tsara, torimaso mikorontana, hozatra manaintaina, havizanana, fa ihany koa ny famoizam-po, tebiteby, na rarin-tsaina : ireo no famantarana izany matetika. Tokony mailo rehefa maharitra mihoatra ny 4 herinandro aorian'ny aretina ireo fambara ireo. Tany Frantsa, marary iray amin'ny roa no nilaza fa efa tratran’izay. 30% amin'izy ireo no niverina niditra hopitaly, volana vitsivitsy taorian'ny aretina.
Raha ny filazan'ny OMS, mety hahazo ny taona rehetra ny “COVID longue”, na io tanora na ireo olona tsy manana aretina mitaiza manokana na ihany koa tsy mbola niditra hopitaly mihitsy. Miankina amin'ireo karazana soritr'aretina mitranga ny fitsaboana atao : mety tafiditra amin’izany ny fakana aina, ny fianarana miaina tsara na fanatanjahan-tena mandinika hamerenana ny aina. Mety haharitra 3 volana eo izany ho an'ny olona sasany.