COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesConseils santé / SantéNakà

©mohamed_hassan
Un repas copieux est l’une des causes du ballonnement du ventre.

Tout sur le ballonnement du ventre - Les bienfaits des fibres alimentaires

Matetika mpahazo ny tsirairay ny fisian’ny rivotra ao amin’ny kibo rehefa mangatsiaka ny andro, rehefa misotro rano misy entona na gaz, na ihany koa rehefa mihinana sakafo be loatra. Mihotrika ela loatra ao an-kibo ireo sakafo ireo, izay miteraka gaz carbonique sy hidrozena be loatra ka lasa miteraka ilay rivotra. Azo sorohina izay amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahan-tena isan’andro, ny fihinana sakafo ara-pahasalamana, fampihenana ny sakafo mavesatra.

Ny “fibre alimentaire” dia isan’ny singa tsara hanina isan’andro. Manatsara ny fiasan’ny tsinay ary miaro amin’ny fitohanana izy ity raha ny nambaran’ny mpitaiza ara-tsakafo, Fanjaniaina Rasoamiadana. 30 grama isan’andro ihany anefa no tsara hanina satria mety hiteraka tsy fahatomombanana eo amin’ny fandevonan-kanina indray raha be loatra. Ny vokatra azo avy amin’ny zava-maniry no tena ahitana azy ity, toy ny legioma, ny voankazo, ny voamaina ary ny voamadinika na “céréales”.


Le ballonnement du ventre apparaît souvent en saison froide, après un repas copieux ou encore après une boisson gazeuse. Il est dû à la fermentation excessive, une étape de la digestion, de ces aliments dans l’intestin causant la création extrême d’hydrogène et de gaz carbonique. On peut, toutefois, prévenir le ballonnement par le biais du sport régulier, des repas sains et équilibrés.

La fibre alimentaire figure parmi les éléments conseillés à consommer par jour. Elle améliore la fonction intestinale et prévient la constipation, selon la nutritionniste, Fanjaniaina Rasoamiadana. Toutefois, sa consommation est limitée à 30 grammes par jour afin d’éviter l’indigestion. Les aliments végétaux comme les légumes, les fruits, les légumineuses, ou encore les céréales, contiennent un taux élevé de fibre alimentaire.


Studio Sifaka · 2021-04-19 Fandaharana SANTENAKA - HIDIRAN'NY RIVOTRA & FIBRES ALIMENTAIRES
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter