Oui, si il est prouvé scientifiquement que les deux vaccins utilisent le même antigène.
C’est le cas par exemple, en France, où les moins de 55 ans vaccinés avec AstraZeneca vont recevoir une deuxième dose d’un vaccin ANR, soit Pfizer/BioNtech soit Moderna. Tous deux vont produire la même protéine dans l’organisme.
La Haute Autorité Sanitaire française affirme que, dans ce cas de figure, n’y a pas de danger à combiner deux vaccins. Seulement, il faut attendre 3 mois avant d’administrer la deuxième dose. Cet intervalle de temps est nécessaire pour laisser agir le premier vaccin et observer la réponse immunitaire du sujet. Mais également pour éviter des effets secondaires indésirables dû au contact des deux vaccins.
En Angleterre, certains scientifiques essaient de confirmer l’hypothèse que, en combinant deux vaccins différents, la réponse immunitaire puisse être améliorée. Les anticorps seront plus résistants et durent plus longtemps.
Afaka manao vaksiny roa samihafa iadiana amin’ny covid-19 ve ny olona iray ?
Eny, raha toa ka voaporofo ara-tsiantifika fa mitovy ny “antigene” na ny fomba fiasan’ireo vaksiny roa ireo.
Any Frantsa ohatra, ireo olona latsaky ny 55 taona izay nahazo fatra voalohany tamin’ny vaksiny AstraZeneca, dia hahazo fatra faharoa amin'ny vaksiny ANR izy ireo, na Pfizer / BioNtech na Moderna izany. Mitovy ny proteina vokarin’ireo karazana vaksiny ireo ao anatin’ny vatana.
Nilaza ny manampahefana ara-pahasalamana ao Frantsa fa tsy misy atahorana ny fampifangaroana vaksiny roa amin’io tranga iray io. Na izany aza, mila miandry 3 volana vao ampidirina ilay fatra faharoa. Ilaina io elanelam-potoana io mba hahafahan’ilay vaksiny voalohany miasa tsara sy hijerena ny fivoaran’ny hery fiarovan’ilay olona. Fa eo ihany koa ny fisorohana izay mety voka-dratsin’ny fifangaronan’ireo vaksiny roa.
Any Angletera kosa, misy indray ireo mpikaroka izay te hanamarina ny petra-kevitra fa hihatsara kokoa ny hery fiarovana rehefa manafangaro vaksiny roa tsy mitovy. Hatanjaka ary haharitra kokoa ireo singa ao anatin’ny hery fiarovana.