Certains enfants en bas âge ont la peau fragile et très sèche par rapport aux autres. Pour cela, le docteur Rova Nomenjanahary, pédiatre, conseille d’ajouter un peu d’huile de cuisson, de préférence de l’huile végétale, dans le bain du bébé. Il ne faut pas oublier d’hydrater sa peau après le bain. Les malgaches ont tendance à utiliser l’huile de coco et l’huile d’amande douce. Pour ce dernier, il faut faire attention à ce que l’enfant n’en soit pas allergique. Il existe également des produits spécifiques pour les peaux très sèches pour bébé en pharmacie, qui permettent une ultra hydratation. Il faut continuer ce soin même si la peau du bébé devient plus douce. Il est toujours préférable d’attendre les visites mensuelles chez le pédiatre avant de décider quoi que ce soit. En ce qui concerne la consommation de sucre chez les enfants en bas âge, le docteur Faramalala, pédiatre, déconseille le rajout de sucre dans la nourriture, même pour les adultes, car le sucre est addictif. Notre alimentation est généralement de nature sucrée.
Misy hoditra zazakely sasany marefo sy maina be noho ny an’ny hafa. Araka ny torohevitra nomen’ny Dokotera Nomenjanahary Rova, dokoteran-jaza, asina menaka fahandro vita amin’ny zava-maniry ny rano fandroan’ny zazakely. Tsy hadinoina avy eo ny mampamandina ny hodiny amin’ny menaka isan-karazany. Ny mahazatra antsika moa dia ny diloilo coco sy ny « huile d’amande douce ». Mila mitandrina tsara nefa amin’ity farany fa mety tsy hahazaka azy ny zazakely sasany fa mety vao mainka hanimba ny hodiny izany. Misy vokatra natokana ho an’ny zazakely ihany koa amidy eny amin’ny fivarotam-panafody izay mahamandina be izay hoditra maina loatra izay. Tohizana foana moa ny fikarakarana ny hoditry ny zazakely na dia hita ary fa efa mihatsara izany. Ny mety dia miandry ilay fizahana isam-bolana atao amin’ilay zaza any amin’ny dokotera vao manapa-kevitra. Raha ny fihinanana zava-mamy indray no resahina, tsy dia tsara hoy i Dokotera Faramalala, dokoteran-jaza, ny manampy siramamy any anaty sakafo satria manjary lasa miankin-doha amin’iny ilay zaza, eny na ny olon-dehibe aza. Ny sakafon-tsika amin’ny andavan’andro dia efa misy siramamy voajanahary.