À l’heure actuelle, la réponse à cette question est non. Les touristes vaccinés seront certainement plus avantagés mais certains pays ont trouvé les moyens de contourner cet obstacle.
Aux Seychelles et aux Maldives, les frontières sont ouvertes à tous à condition de présenter un résultat négatif au test PCR ou antigénique de moins de 24heures. C’est également valable pour de nombreux pays européens comme l’Espagne, la Grèce, le Portugal, le Danemark. Ce test peut être exigé avant l’embarquement et/ou à l’arrivée.
La Thaïlande reçoit aussi les touristes étrangers mais ils devront respecter une quarantaine de 14 jours à leur arrivée dans le pays.
Il existe aussi maintenant une assurance voyage spéciale COVID19. Si le vaccin n’est pas obligatoire, cette assurance l’est pour voyager au Cambodge, à Cuba, en Israël, etc. Cette assurance prend en charge les frais médicaux et le rapatriement liés à la COVID-19.
Tsy maintsy ilaina ve ny vaskiny COVID-19 amin’izao raha toa hivoaka any ivelany ?
Amin’izao fotoana iresahantsika izao aloha, dia tsia ny valiny. Marina fa manana tombony kokoa ireo olona vita vaskiny raha ho any ivelany sady manamora ny fikarakarana izany. Fa mbola betsaka koa anefa ny firenena tsy mitaky ny fahavitana vaskiny.
Toa an’ny Seychelles sy Maldives izao. Misokatra ho an’ny olona rehetra ny sisintan’izy ireo fa mila mitondra valina fitiliana PCR manamarina hoe tsy mitondra ny tsimokaretina COVID-19 tao anatin’ny 24 ora farany ireo mpandeha tsy vita vaksiny.
Toy izany koa raha hiditra any amin’ny firenena eoropeana sasany, tahaka ny Espagne, Grèce, Portugal na Danemark. Misy amin’izy ireo ihany koa mitaky ny famerenena ny fitliana rehefa tonga any antoerana.
Ny any Thailande indray, dia tsy maintsy mandalo fihibohana 14 andro ireo mpizaha tany tsy vita vaksiny.
Ankoatr’izay, misy ihany koa ny fiantohana na assurance covid19. Tsy maintsy ananana izy io raha ho any Cambodge, Cuba, Israel sns. Raha sanatria mila miditra hopitaly ianao na mila miverina any amin’ny firenenao noho  ny COVID-19, dia io no antoka amin’izany. Â
Â