Il faut savoir déjà que l’immunité offerte par un vaccin contre la COVID-19 commence à agir 12 à 15 jours après l’injection. En même temps, l’efficacité du vaccin est réduite de moitié, s’il s’agit d’une première injection. Il est donc possible d’être positif au coronavirus entre temps.
Si c’est le cas, il faudra patienter trois à six mois après l’infection avant de recevoir une deuxième dose de vaccin, selon les recommandations de la Haute Autorité de la Santé. Toujours selon les experts, pas besoin de refaire les deux doses de vaccin à nouveau, la seconde dose à elle seule suffit.
Le Conseil d’orientation de la stratégie vaccinale, de son côté, émet un autre avis. Si l’infection est survenue plus de 15 jours après l’injection de la première dose, il n’est pas nécessaire de se faire injecter une seconde dose de vaccin. Selon eux, l’organisme considère cette infection comme une stimulation équivalente à une seconde dose.
Inona no tokony atao raha voamarina fa mitondra ny tsimokaretina COVID-19 taorian’ny nanaovana vaksiny fatra voalohany ?
Tsara ho fantatra aloha fa 12 na 15 andro aorian’ny nanaovana vaksiny vao manomboka hita ny asan’ny vaksiny ao amin’ny vatantsika. Ankoatr’izay dia mbola ambany ary mihena any amin’ny antsasany ny fiarovana entin’ny vaksiny raha toa ka mbola ny fatra voalohany ihany no vita. Noho izany dia mety ho voan’ny COVID-19 tokoa ny olona iray na efa vita vaksiny fatra voalohany aza.
Raha izay no mitranga dia mila miandry telo hatramin’ny enimbolana izy vao azo atao vaksiny fatra faharoa indray, raha ny voalazan’ny Haute Autorité de Santé. Tsy ilaina ihany koa ny mamerina manao azy roa, fa fatra iray ihany dia ampy.
Ny Conseil d’orientation de la stratégie vaccinale indray dia manana hevitra hafa. Raha taorian’ny 15 andro nanaovana vaksiny fatra voalohany hoy izy no nisehoan’ny aretina, dia tsy voatery manao fatra faharoa intsony ilay olona. Efa raisin’ny vatana ho toy ny fatra faharoa amin’ny vaksiny mantsy izany. Saingy ny fiarovana tsara indrindra aloha dia ny mamita ireo fatra vaksiny feno.