Les données scientifiques disponibles jusqu’à présent montrent que les vaccins contre la COVID-19 ne représentent aucun danger pour les femmes allaitantes, aussi bien pour la mère que pour le bébé. Selon le Conseil d'orientation de la stratégie vaccinale du ministère de la Santé, en France : « il est improbable que l'un des composants des vaccins contre la COVID-19 puisse être excrété dans le lait humain».
Au contraire, les femmes allaitantes qui ont reçu le vaccin COVID-19 ont des anticorps dans leur lait, pouvant offrir plus de protection à leur bébé contre l’infection, ajoute l’OMS. Les mères sont donc encouragées à se faire vacciner et peuvent tout à fait continuer à allaiter.
Â
COVID-19 : afaka atao vaksiny ve ny vehivavy mampinono ?
Ireo valin’ny fikarohana siantifika hatreto dia ampy ilazana fa tsy misy antony manakana ny reny mampinono tsy hahazo vaksiny miaro amin’ny COVID-19. Tsy misy atahorana izany na ho an’ny fahasalaman’ilay reny na ho an’ilay zaza. Ny Conseil d'orientation de la stratégie vaccinale du ministère de la Santé any Frantsa dia milaza fa tsy misy fiatrakany any amin’ny rononon-dreny ireo singa rehetra ampiasaina amin’ny vaksiny.
Ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momban’ny fahasalamana aza dia mamporisika mihitsy ny hanaovana vaksiny ireo vehivavy mampinono. Voamarina mantsy fa mifindra any amin’ny rononon-dreny ny hery fiarovana entin’ny vaksiny ka afaka miaro ny zaza ihany koa. Noho izany, dia mahazo manohy mampinono ireo reny vita vaksiny.