Selon la presse internationale, cette nouvelle souche du SARS.COV.2 porte la nomenclature B.1.621 selon la classification, et a été détectée pour la première fois en Colombie en janvier dernier. D’autres pays américains et européens ont cependant déjà signalé son apparition sur leurs territoires. L’OMS a expliqué récemment que « Bien que la prévalence mondiale du variant Mu parmi les cas séquencés ait diminué et soit actuellement inférieure à 0,1 %, sa prévalence en Colombie (39 %) et en Equateur (13 %) a constamment augmenté ». L’OMS a d’ailleurs classé ce variant « à suivre de près ». Selon les informations, "Mu" présente des mutations qui pourraient indiquer un risque d'échappement immunitaire, c'est à dire une résistance aux vaccins. Mais l’OMS précise toutefois que des études supplémentaires sont nécessaires pour mieux comprendre ses caractéristiques.
Misy endriny vaovao amin’ny COVID-19 antsoina hoe  "Mu" izay mampiahiahy ny vondron’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na ny OMS. Fa inona tokoa ary izany?
Raha ny filazan'ny lahatsoratra angazety maro manerantany, mitondra ny anarana B.1.621 ity endriny vaovao amin’ny SARS.COV.2 ity. Tao Kolombia no nahitana azy voalohany, ny volana Janoary lasa teo. Efa nisy firenena amerikana sy eropeana hafa nanambara ihany koa ny fisian’izy ity any amin’ny ry zareo. Nanazava ny OMS vao haingana fa "Na dia nihena aza ny fihanaky ny Mu amin'ireo tranga vaovao voaisa, izany hoe latsaky ny 0,1%, mitombo hatrany ny fihanahany, 39% any Kolombia, 13% any Equateur ". Nosokajian’ny OMS ho ao anatin’ireo endriny vaovao amin’ny coronavirus mila arahamaso akaiky rahateo izy ity. Araka ny vaovao, manana toetra vaovao tsy mbola fantatry ny hery fiarovana ny variant "Mu", ka mety tsy handairan’ny vaksiny. Milaza kosa ny OMS fa ilaina ny fandinihana lalina mba hahalalana bebe kokoa ny toetran’ity endriny vaovao ity.