Perdre du poids ou en prendre, le débat est facilement engagé. Cependant, à chaque corpulence, tranche d’âge et masse osseuse, correspond un poids idéal. En se conformant aux normes des indices de masse corporelle, pour les hommes comme pour les femmes, il est recommandé de ne pas tomber en surpoids afin d’éviter de contracter des maladies.
Selon le professeur Randriamanantany, les anticorps servent à protéger le corps pour éviter les infections. Cependant, certains anticorps génèrent pourtant des maladies. Les sujets atteints de maladies congénitales et séropositifs ont des anticorps faibles. Il en est de même pour ceux qui intègrent une faible consommation de protéines qui se retrouvent avec des anticorps faibles. Pour traiter ces sujets, une injection d’anticorps s’impose.
Ilaina fitandremana ny lanja sahaza ny tena mba tsy ho mora andairan’ny aretina. Indraindray mety ho ngeza loatra na kely loatra ihany koa. Azo atao ny mijery ny indice de masse corporelle, na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy mba hifehezana ny vatana tsy hihoatra ny lanja tokony ho izy.
Ny profesora Randriamanantany kosa dia manazava ny momba ny hery fiarovana hita anatin’ny ra na ny hery fiarovana na anticorps sy ny asany ao anaty vatana. Marihiny fa ny hery fiarovana no miaro ny vatan’ny olombelona mba tsy hidiran’ny trangan’aretina, fa misy ihany koa ny karazana hery fiarovana mahatonga aretina ho an’ny olombelona. Raha manana aretina hatrany am-bohoka na koa voan’ny Sida ny olona iray dia mihena ny hery fiarovany. Raha ny filazan’i profesora, ny olona tsy dia mihinana “protéines” ihany koa dia somary marefo raha mihoatra ireo mihinana izany satria midina kely ny hery fiarovany. Rehefa tena tsy ampy kosa ny ity farany dia azo atao ny “injection d’anticorps” hanampiana azy.