Il très difficile d’avoir un traitement efficace contre les virus. Cependant, la presse française relate un brin d’espoir. Le professeur en maladies infectieuses à la faculté de médecine de l'université de Paris, Yazdan Yazdanpanah, souligne la possibilité d’avoir un traitement efficace sur le virus, par les fruits de recherches très importantes développées en ce moment. Il rappelle qu’on n’en a d’ailleurs jamais trouvé pour la grippe... ». L’infectiologue parisien, Nathan Peiffer-Smadja, ajoute que c’est la même chose pour la dengue, le VIH, ou le chikungunya. Il explique, dans un média français, que les bactéries, les parasites, les champignons ont des traitements efficaces. Mais comme le virus utilise nos cellules pour se reproduire, il faut le détruire sans abîmer nos cellules.
Azo atao hoe fotoana iresahana ireo fomba fitsaboana ny COVID-19 ve izao nefa ny an'ny gripa ary tsy mbola hita akory ?
Tena sarotra ny mahazo fitsaboana mahomby iadiana amin’ny tsimokaretina. Na izany aza, misy ihany ny fanantenana hoy ireo gazety frantsay. Mety hisy ny fitsaboana mahomby iadiana amin’ny tsimokaretina, amin'ny alalan'ireo voka-pikarohana izay efa mandroso be amin’izao, hoy ny profesora ao amin'ny sampa-pikarohana momba ny areti-mifindra ao amin'ny Oniversiten'i Paris, Yazdan Yazdanpanah. Na eo aza izany dia nampatsiahy izy fa mbola tsy hita mihitsy aloha ny an’ny gripa hatreto ... " Nanamafy izany ny manam-pahaizana momba ny areti-mifindra ao Paris hatrany, i Nathan Peiffer-Smadja, fa toy izany koa ny aretina dengue, ny VIH ary ny chikungunya. Nanazava tamin'ny haino amanjery frantsay izy fa efa nahitana fitsaboana mahomby ny bakteria, ny katsentsitra ary ny holatra. Koa satria mampiasa ny selan'ny olombelona ny tsimokaretina mba hitomboany isa, dia sarotra kokoa ny manapotika azy nefa tsy manimba kosa ireo sela.