Plusieurs colonnes de la presse internationale évoquent le résultat de récentes études, pour lesquelles certaines personnes auraient développé des anticorps puissants et polyvalents, capables de neutraliser le SARS-CoV-2 et plusieurs de ses variants. Certains scientifiques parlent d'"immunité surhumaine", d’autres d’immunité hybride.
Selon nos sources, les patients ayant été, au préalable, infectés par le virus, puis ayant reçu un vaccin à ARN messager comme Pfizer ou Moderna, sont les plus susceptibles de développer cette immunité "hybride". Après les infections naturelles, les anticorps deviennent plus puissants, et plus larges, puis la personne est immunisée avec un vaccin à ARNm.
Paul Bieniasz, virologue à l’université américaine Rockefeller, qui a co-dirigé une partie de ces études explique que le corps des individus observés résiste aux différents variants actuels et futurs. Cependant, il est encore trop tôt pour affirmer que toutes les personnes concernées par une exposition "hybride" développent automatiquement une "immunité surhumaine".
Â
Inona ny atao hoe hery fiarovana mihoatra ny herin’ny olombelona ?
Hita anaty lahatsoratra an-gazety iraisampirenena ny valin’ity fikarohana ity tato ato. Milaza izy ireo fa misy karazana olona lasa manana hery fiarovana matanjaka sy mahavita mandresy aretina maro samy hafa, ka afaka mamono ny SARS-CoV-2 sy ireo endriny hafa. Milaza ny mpahay siansa sasany fa hery fiarovana mihoatra ny hery amin’ny maha-olombelona izany, ao kosa ireo milaza fa hery fiarovana mifangaro izy ireto na hybride.
Raha ny loharanom-baovao voaray, ireo efa narary voan’ny coronavirus teo aloha, ary natao vaksiny RNA messager toy ny Pfizer na Moderna, no mety hanana io hery fiarovana mifangaro io. Mihamatanjaka sy manana hery fiarovana betsaka kokoa mantsy ny olona iray rehefa nifindran’ilay aretina amin’ny fomba voajanahary sy rehefa atao vaksiny RNA avy eo.
Nanazava i Paul Bieniasz, mpikaroka momba ny tsimokaretina ao amin'ny Oniversity Rockefeller ao Amerika, ary anisan’ny nanao fikarohana momba azy ity, fa mahatohitra ireo endriny rehetra amin’ny coronavirus izay misy amin’izao sy izay mbola ho avy, ny vatan'ny olona izay nanaovan’izy ireo fandalinana. Na izany aza, mbola aloha loatra izao raha hilaza isika fa manana ny hery fiarovana mihoatra ny hery amin’ny maha olombelona izay manana ilay hery fiarovana mifangaro na hybride izay.