Toutes les informations indiquent jusqu’ici que les vaccins contre la COVID-19 sont sans danger pour les personnes atteintes du VIH, malgré leur système immunitaire affaibli.
Des essais ont été menés dans quelques pays avec une forte incidence du VIH comme l’Afrique du Sud. Les sujets ayant reçu le vaccin ont présenté de légers symptômes : des courbatures dans le bras, une sensation passagère de malaise, de la fièvre. Mais aucune interaction pharmacologique n’a été signalée entre les vaccins et les médicaments prescrits pour ces patients-là .
Les personnes vivant avec le VIH sont encouragées à se faire vacciner et en même temps, à poursuivre un traitement antirétroviral afin de se protéger de la maladie et réduire la transmission du virus.
Mahazo manao vaksiny fiarovana amin’ny COVID-19 ve ireo olona miara-miaina amin’ny VIH ?
Raha ny vaovao zarain’ireo manampahaizana hatreto, dia tsy misy atahorana ho an’ireo olona miara-miaina amin’ny VIH ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny COVID-19, na dia marefo kokoa mitaha amin’ny olona rehetra aza ny hery fiarovana ao aminy.
Nisy andrana vitsivitsy natao tany amin’ireo firenena ahitana tahana olona voan’ny VIH ambony, toa an’I Afrika atsimo. Mitovy amin’ny mahazatra ihany ny fiatraikan’ny vaskiny eo amin’izy ireo : fanaintainana ao amin’ny sandry, tazo mandalo. Voamarina kosa fa tsy manohitra ny fiasan’ny fanafody hohanin’izy ireo ny singa ao anatin’ny vaksiny COVID-19.
Mahazo manao vaksiny fiarovana amin’ny COVID-19 araka izany ireo olona miara-miaina amin’ny VIH, sady afaka manohy tsara ny fitsaboana arahiny.
Â